airtel

Toekarena

19-mars-2024

TANINKETSA INDOSTRIALY

« Tsy maintsy vokarina eto an-toerana ny zavatra ilain’ny mponina »

Sample post image

Nazava ny teniny ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa tsy maintsy vokarina

19-mars-2024

eto an-toerana ny zavatra ilain’ny mponina eo amin’ny andavan’androm-piainany. Manamafy ny hafainganam-pandeha eo amin’ny fanatanterahana ny politika napetraky ny Filoha momba ny fampiroboroboana ny indostria na ny MIC amin’izao fotoana izao izany hoy izy. Mihazakazaka ny fanatanterahana ny famokarana ifotony ny filàn’ny mponina. Tetikasa imasoan’ny Minisitera tarihan’ity Ministra ity araka izany ny fametrahana ozinina manakaiky vahoaka na ny One Distict One Factory (ODOF). Milina miisa 52 no efa naterin’ny MIC eny anivon’ny Distrika ao anatin’ny faritra 21 hatreto. Ozinina miisa 5 amin’ireo efa tafapetraka sy efa mamokatra ary mamatsy ny mponina toy ny ozinina manodina ny ronono ho lasa fromazy sy yaourt ao Moramanga, ny ozinina mamokatra tantely ao Manjakandriana, ny ozinina manodina ny voanjo ho lasa menaka ao Analavory, ny ozinina manodina voatabia ho lasa ketchup ao Ambatondrazaka ary ny ozinina manodina voanjo ho lasa menaka ao Ankadinondry Sakay. Manampy sy miara-miasa amin’ny kaoperativa sy ny tantsaha eny ifotony ny tetikasa ODOF hanatsarana ny toekaren’ny faritra sy ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra ao anatin’ny lalan-tsain’ny ODOF ihany koa ny fanomezana ny vahoaka Malagasy vokatra zakan’ny fahefa-mividiny. Vokatra manaraka ny fenitra ary tsara kalitao amin’ny vidiny mirary afaka mifaninana amin’ny vokatra nafarana. Ohatra amin’izany ny ozinina manodina ny voanjo ho lasa menaka ao Ankadinondry Sakay. Teo aloha amin’ny tanana ny mpandraharaha no manodina ny menaka ary ratsy ny kalitao azo amin’izany, vitsy ihany koa ny vokatra ka tsy maharaka ny filàn’ny mponina. Ankehitriny noho ny fisian’ny milina ODOF dia 2000 litatra isam-bolana ny mena-boanjo vokatra ao amin’ity taninketsa indotrialy ity.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo ozinina efa napetraka !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap