Ambony ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ara- barotra mahakasika ny vokatra sakay vavam-borona na “piment bec d’oiseau” teo amin’ny fivondronan’ireo tanora tantsaha mpamokatra Soamiaradia sy ny Orinasa Hy Techno Green Energy na “HTGE”. Vokatra milanja 27,5 taonina no raisin’ny orinasa HTGE amin’ireo tanora mpamokatra manomboka ny faran’ny volana mey 2023 ka hatramin’ny faran’ny volana martsa 2024, hoy ny fampitam-baovao. Mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra sy mba hanampiana ireo tanora mpamokatra ireo dia nanolotra masomboly voafantina milanja 1kg ny orinasa HTGE. Tsy mitsahatra manampy tosika ireo tanora mpandraharaha ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana amin’ny alalan’ny “Programme Formaprod” izay vatsian’ny FIDA vola, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana