airtel

Toekarena

07-déc-2021

Toekarena

Tanoran’ny JSSI Hanome tolotra maimaimpoana ho an’ny mpandraharaha

Sample post image

Tanora lahy sy vavy 15 mianadahy mivondrona ao amin’ny “Joyce Service et Solution Informatique”

07-déc-2021

 na JSSI no fantatra fa hanome tolotra maimaim-poana ho an’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany eto amintsika amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Hanomboka amin’ny alatsinainy 13 desambra ho avy izao izany haharitra herinandro raha hanomboka rahampitso Alarobia 08 Desambra kosa ny fandraisana ny kaomandy. Manamboatra carte de visite, manangana cite web, manamboatra logo amin’ny endriny maro samihafa no hataon’izy ireo amin’izany saingy tsy miantoka ireo kojakoja ilaina toy ny taratasy…. kosa izy ireo. Tanjona amin’izany raha araka ny fanazavan’i Miandrisoa Manantena Manager eo anivon’ny JSSI ny mba hahafahana manolo-tanana ireo mpandraharaha tsirairay avy madinika sy salantsasalany hanatsarana sy hanarenana ny lafiny ara-toekarena eto amintsika. Tsiahivina moa fa vondrona iray eo anivon’ny oniversite ambony ESC ESPIC etsy amin’ny 67 ha ny JSSI miaraka amin’ny ISDE.

Pati
Legende : Santionany amin’ireo tanora mpikambana eo anivon’ny JSSI
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap