airtel

Toekarena

07-avril-2022

Toekarena

Teknolojia sy ny fizahantany eto Iarivo Hamoraina ny fitadiavana trano fandraisam-bahiny

Sample post image

Hamboarina ny ”application” ahafahan’ny tsirairay mahafantatra sy manamora ny fitadiavana ireo toerana rehetra fandraisam-bahiny sy fisakafoana eto Antananarivo sy ny manodidina,

07-avril-2022

araka ny tetikasa mifandraika amin’ny ”digitalisation” ataon’ny kaominina. Nosoniavina omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’n Federasion’ny Trano fisakafoana sy Fandraisam-bahiny (FHOM) sy ny kaominina Antananarivo. Voakasik’izany avokoa ny sokajy rehetra manerana ny kaominina. Anisan’ny fiomanana sahady amin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy amin’ny 2023 ity hetsika ataon’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo renivohitra ity ary ifotoran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny Federasion’ny Trano fisakafoana sy Fandraisam-bahiny (FHOM) eto Madagasikara, hoy ny fampahafantarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap