airtel

Toekarena

22-oct-2026

Tetibolam-panjakana 2027

Hojerena bebe kokoa ny angovo

Sample post image

fotodrafitrasa, famokarana, fampianarana,…

22-oct-2026

Nanatanteraka fivoriana fandanjalanjana ara-tetibola momba ny Volavolan’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2027 ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra ny 21 Oktobra 2026 tao amin’ny Espace Fenitra Ambohijanaka. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo laharam-pahamehana ara-toekarena sy ara-bola ho an’ny taona 2027 ny dinika. Amin’ny vinavina napetraka, tombanana ho 4,1 % ny fitomboan’ny harinkarena faobe amin’ny taona 2026 ary vinavinaina hahatratra 5,1 % izany amin’ny taona 2027. Eo amin’ny lafiny vola miditra, kendrena ho 6 721,6 miliara ariary ny hetra voaangona, raha 16 543,7 miliara ariary ny fitambaran’ny vola miditra sy ny fanampiana. Etsy ankilany, mahatratra 20 825,6 miliara ariary ny fandaniam-bolam-panjakana vinavinaina. Nohamafisina ny tanjona hanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana, ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly, ny fifehezana ny fandaniana ary ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny mponina. Teo amin’ny fampiasam-bolam-panjakana, tetikasa 724 no naroso ka nitentina 28 680 miliara ariary ny fangatahana famatsiam-bola, raha 1 000 miliara ariary kosa ny tetibola azo tsinjaraina. Noho izany dia ny sehatry ny angovo, ny fotodrafitrasa, ny lalana ary ny fampandrosoana eny ifotony no nasongadina ho laharam-pahamehana. Eo amin’ny sehatry ny fambolena, notsindriana ny fanamorana ny fahazoan’ny tantsaha masomboly vary safiotra sy zezika manara-penitra, miaraka amin’ny tanjona hahatratra vokatra 4 taonina isaky ny hektara amin’ny taona 2027. Nodinihina hany koa ny fandraisana mpiasam-panjakana, izay nahitana fangatahana toerana 39 397. Amin’ireo anefa dia 17 885 no nofaritana ho laharam-pahamehana, ka anisan’izany ny filàna mpiasa 9 000 eo anivon’ny Fanabeazam-pirenena. Noresahina ihany koa ny fitantanana ny karama, ny fisotroan-dronono ary ny fanatsarana ny fitsinjarana ny tetibola any amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nohamafisin’ny governemanta fa ny Volavolan’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2027 dia hifantoka amin’ireo tetikasa mitondra vokatra mivaingana ho an’ny mponina, sady hanamafy ny mangarahara sy ny fahombiazan’ny fampiasana ny volam-panjakana mba hanohanana ny fitomboan’ny toekarena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

voajanahary tokony jerena akaiky»

Card image cap
21-oct-2026

Mpandraharaha 141 no efa nahazo fahazoan-dalana

Card image cap