airtel

Toekarena

28-janv-2021

Toekarena

Tetikasa Maharo Hamaha olana ny fahantrana lavareny any Atsimo

Sample post image

Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny Minisiteran'ny Mponina,

28-janv-2021

 

 

 

 ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy sy ny Catholic Relief Service (CRS) ny amin’ny alalan'ny tetik'asa MAHARO izay vatsian'ny USAID vola mitentina 45 tapitrisa dolara. Tanjona amin'izany ny fitondrana vahaolana amin'ny fahantrana lavareny fa indrindra ny hain-tany sy ny kere mahazo ny Faritra Atsimo. Araka izany, tokantrano 55 880 ahitana olona 279 398 avy amin'ny Kaominina 20 no hisitraka izany ary haharitra dimy taona ny faharetan'ny tetik'asa izay ho tanterahina any amin'ny Distrikan'Ampanihy, Tsihombe ary Beloha. Raha tsiahivina, ny tetik'asa MAHARO dia atao mba ahafahan’ny olona misehatra amin'ny asa fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary hanatsarana ny fiainan'ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono manoloana ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin` ny Minisiteran'ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy sy ny Catholic Relief Service (CRS) .

Marigny A.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap