Tontosa omaly 30 septambra 2026 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana mifandraika amin’ny Tetikasa Volobe Amont. Nanatanteraka izany ny fifanarahana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, sy ny Tale Jeneralin’ny CGHV, Atoa Rémy HUBER. Dingana izay nosokajiana ho iray amin’ireo fanalahidy hanatanterahana tanteraka ity tetikasa goavana ity, izay efa niandrasan’ny maro nandritra ny taona maro. Manamarika ny fiafaran’ny ampahany amin’ireo dingana ara-pitantanana sy ara-teknika ilaina amin’ny firosoan’ny asa. Manomboka eto dia hiditra amin’ny famaranana ny rafitra famatsiam-bola ny tompon’andraikitra, dingana izay hamaritra ny fahafahana miroso amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa eny an-toerana. Tetikasa andrasana hitondra vahaolana lehibe amin’ny olan’ny famatsiana herinaratra ny Volobe Amont, izay hamokatra herinaratra mihoatra ny 120 MW. Hisy ampahany lehibe amin’izany hatokana ho an’ny faritra Toamasina, raha hampidirina ao amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo kosa ny ambiny, amin’ny alalan’ny tetikasa PRIRTEM I. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanombohan’ny fanomanana sy ny dinika samihafa momba ity tetikasa ity. Na dia nandalo sedra sy fahatarana maro aza, nisy fandrosoana lehibe voarakitra tao anatin’ny enim-bolana farany. Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny Volobe Amont ny fampitomboana ny famokarana angovo azo havaozina eto Madagasikara. Andrasana ny fahatanterahany, ny fiantraikany eo amin’ny toekarena, indrindra amin’ny fanohanana ny sehatra famokarana sy ny famoronana tontolo mahasarika fampiasam-bola. Etsy ankilany, antenaina ihany koa ny hanatsarany ny fari-piainan’ny mponina amin’ny alalan’ny fahazoana herinaratra marin-toerana kokoa.
Toky R