airtel

Toekarena

02-mars-2021

Toekarena

Toamasina Mitombo isa ireo orinasa goavana

Sample post image

Mitombo isa ireo orinasa goavana ao Toamasina. Nanokatra ny masoivohony ao Amboditandroho ihany koa mantsy ny orinasa Star.

02-mars-2021

 

 

 Omaly Alatsinainy 01martsa no notanterahina ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ireo foto-drafitrasa vaovao tany an-toerana. Teo ambany fiahian-dRamatoa Lantosoa Rakotomalala, Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana no notanterahina ny lanonana. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana kosa ny tale jeneralin’ny Star Andriamatoa Marc Pozmentier sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana ao Toamasina.Tsiahivina moa fa tao Ivondro no nisy ny masoivohon’ny Star teo aloha. Ho an’ity masoivoho vaovao ity dia velaran-tany 6.000 m² no hametrahana entana sy akora fototra, 16.500 m² ny fipetrahan’ny fiara lehibe ary 2.000 m² kosa ny fipetrahan’ny fiara kely, ny moto ary ny mpandeha an-tongotra. Misy ihany koa ny toerana natokana hitateran-drano. Inoana araka izany fa hanatsara ny toe-karena ao Toamasina ny fisian’izao foto-drafitrasa vaovao izao.

 

 Pati

 

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap