airtel

Toekarena

12-janv-2021

Toekarena

Toekarem-pirenana Reraky ny krizy

Sample post image

Ny taona 2020 dia tsy isalasalana fa taona sarotra ho an' ny toekarena eto Madagasikara.

12-janv-2021

 

 

 Very sy namono ny fitomboana ara-toekarena folo taona ary niverina tamin'ny ambaratonga voalohany tamin'ny taona 2009 isika. Araka ny voafaritra tao anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020., dia naminavina hatrany ny governemanta fa ho 0,8% ny tahan` ny fitomboana (taux de croissance) na teo azan y valanaretina Covid-19. Nihena ho -3,8% anefa izany noho ny fanitarana ny fanakatonana ny sisin-tany ka nitotongana ny toekarem-pirenena tamin'ny volana oktobra lasa teo. Izany dia vokatry ny fikorontanana eo amin'ny varotra iraisam-pirenena sy ny valanaretina ka nidina ny fidiram-bola avy any ivelany ary koa ny fampiasam-bola tsy miankina. Nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taon-dasa, 64% ny isan-tokantrano no nitatitra fa very ny fidiram-bolany, ary 97% amin` ireo orinasa dia nanamarika fa nihena ny fangatahana ny vokatra sy asa ataon` izy ireo. Raha ny tatitra nataon` ny PNUD ny volana jolay lasa teo dia tafidina 280 dolara ny fidiram-bolan` ny olona iray, salanisa amin`ny ankapobeany noho ny valanaretina Covid-19 sy antony maro, raha toa ka 410 dolara izany ny taona 2016. Na eo aza ny fiantraikan'ny areti-mifindra, ny governemanta dia manambara ny famerenana amin'ny laoniny ny toekarena amin` ity taona ity. Saingy miantraika ay amin` ny isam-batan`olona mivantana izany fahavoazan` ny toekarena izany ka na eo aza ireo harena eto amin`ny firenena tsy mahavita mitrandraka izany hisian` ny fampandrosoana maharitra ny fanjakana.

 Marigny A.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap