stratejika i Madagasikara sy Djibouti…
Niainga niazo an’i Djibouti omaly ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël sy ny delegasionina tarihiny. Manatanteraka fitsidihana ara-panjakana araka ny fanasan’ny Filoha jibotianina, Ismaïl Omar Guelleh. Fitsidihana izay manamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, sady mitondra lanja manokana eo amin’ny sehatra diplaomatika afrikanina. Omaly ihany dia efa nisy ny fihaonana teo amin’ireo Filoha roa tonta. Efa nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa 3 raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao any an-toerana: fifanarahana ankampobeny momba ny fiaraha-miasa (convention générale de coopération), fifanarahana lasitra (mémorandum d'entente) hifanakalozan-kevitra eo amin’ny firenena roa tonta, ary fahatelo ny tsy fitakiana « visa » amin’ireo manana pasipaoro diplaomatika arak’asa. Mandritra ity dia arak’asa ity, misy ny fitsidihana fotodrafitrasa isan-karazany, ka ao anatin’izany ny orinasa mpifandray sy mampita entana ao Djibouti, ny seranan-tsambo izay heverina ho iray amin’ireo goavana sy maoderina indrindra aty Afrika. Ireo fotodrafitrasa ireo dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny faritra. Raha jerena ny tantaran’i Djibouti, dia efa nandalo sedra maro, anisan’izany ny ady an-trano sy ireo disadisa ara-politika nateraky ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny fitondrana. Na izany aza, nisafidy ny lalan’ny fifampidinihana sy ny fifanarahan’ny mpitondra ary ireo antoko samihafa izy, ka nahafahana nanamafy ny fandriampahalemana sy ny firaisankinam-pirenena. Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana teo amin’ireo Filoha roa tonta ny 10 septambra lasa teo tany Paris, fihaonana izay nanamafy ny fifandraisana sy ny fifanatonan-kevitra eo amin’ny roa tonta ary anisan’ny nanomana mialoha izao fitsidihana ara-panjakana izao. Raha hiverenana kely, teboka maromaro no mampiavaka an’i Djibouti ara-toekarena, jeopolitika,… Miorina eo amin'ny fidirana mankany amin'ny Ranomasina Mena sy ny Helodranon'i Aden izy, eo amin'ny iray amin'ireo lalan-dranomasina be mpampiasa indrindra eran-tany. Izany no nahatonga azy ho ivon-toeran'ny fitaterana aty Afrika Atsinanana. Manana seranan-tsambo maoderina sy manan-danja stratejika, toy ny Port de Djibouti sy Doraleh Container Terminal, izay mandray sy mampita entana avy amin'ny faritra maro eran-tany. Manana tambajotram-pitaterana matanjaka, ahitana lalamby sy lalambe mampifandray an'i Djibouti amin'i Etiopia sy ireo firenena manodidina, manamora ny fikorianan'ny entana sy ny varotra ; Faritra ara-barotra malalaka (zones franches) sy faritra indostrialy, izay misarika mpampiasa vola vahiny sy orinasa iraisam-pirenena. Ara-jeopolitika, miavaka amin’ny fisian'ny toby miaramila vahiny maro, anisan'izany ny an'i Etazonia, Frantsa ary Shina, izay manome vola miditra ho azy.
Toky R