airtel

Toekarena

05-oct-2021

Toekarena

Toekarena taorian’ny Covid 19 Ny nataon’ny fanjakana ihany no mampitarazoka ny fanarenana

Sample post image

Anisan’ny fahadisoana goavan’ny fitondrana Rajoelina ny namerana ireo olona na tokantrano nomena fanampiana ny taona 2020 sy 2021 rehefa nampiharina teto amin’ny firenena ny fahamehana ara-pahasalamana narahana

05-oct-2021

 fihibohana. Nisy tsara anefa ny volam-panjakana efa natokana hiatrehana ny krizy mety hitranga.Misy isan-taona anaty tetibola io, miampy ny tetibola manokana na fonds spéciaux ho an’ny filohan’ny Repoblika ary ireo vola fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola mahazatra izay efa nihoatra ny 1 miliara dolara na 3 900 miliara ariary, tetibola efa afaka mampidina ny firenena mandritra ny herintaona. Raha samy nahaazo fanampiana ara-bola anefa ny isam-pianakaviana na ny maro an’isa raha ohatra hoe tsy vita ilay tena isam-ianakaviana dia tsy maintsy nividy zavatra sy niantsena ireo.Rehefa mividy ny mpanjifa, miidiy isan’andro satria manana vola izi dia lfo isan’andro ihany koa izany ny entana eny amin’ny mpivarotra, dia mila mamokatra ihany koa izany ny mpamokatra mba hamatsiana ireo mpivarotra ; miodina ho azy ny orinasa, mahazo ny anjarany ny tantsaha, mpanjono sns…Miodina ho azy ilay toekarena arymahazoo aina tsikelikely satria mandeha ny fanjifana amina taha ambony.saingy rehefa voafetra ny olona nozaraina vola fanampiana na Tosika hoy ny fomba fiteny, na koa nomena maimaimpoana entana sy kojoakoa na namarotana zavatra tamin’ny vidina ambany dia mazava ho azy fa tsy misy tombony ho an’ny tsena sy ny mpivarotra ary ny orinasa mpamokatra izany.Ny fanjakana mbola mamoaka vola am-paosy hanentsenana ny banga, tsy hita anefa izay fivoarana eny anivon’ny fiarahamonina fa toa vao miha aza miha krizy.Ary tenahita taratra izany amin’izao volana oktobra 2021 io fa maro ny tokantrano mitaraina fa tena nihena ny fidiram-bola kanefa ny vidim-piainana niakattra.Fehiny niha nahantra ny olona maro ary mbola sarotsarotra ny hamerenana amin’ny laoniny ny fanijafana nisy ny taona 2019 sy 2018 ohatra.Tsy hoe hangaatahaka be fahatany ny nataon’ny Amerikanina ohatra izay nahavita nizara 1300 dolara isan-tokantrano na ny tohana am-polony miliara euro nanampian’ny fanjakana ny orinasa tsy miankina tany Italie sy Frantsa fa tena nisy zavatra tokony natao teto saingy tsy natao satria, hafa angamba ny kajin’ny mpitondra fanjakana dia ny hanangana fotodrafitrasa hanapena-maso ny vahoaka sy hambaboana ny fon’ny mpifidy atsy ho atsy ary entina hanandratan-tena hoe : izahay ihany no nahavita an’izao hatramin’izany.Nitsangana tokoa ny kianja sy sekoly manara-penitra, fa mba manao ahoana ny lafiny sosialy moa amin’izao fotoana, ny fandriampahalemana, ny fanabeazana ?
(sary fanehoana)
RTT
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap