airtel

Toekarena

04-nov-2021

Toekarena

Tombotsoan’ny Ravinala Airports Niaka-pofona ny Depiote Brunelle…

Sample post image

Mandeha ny tatitry ny fanadihadiana parlemantera mombana toe-javatra samihafa eto amin’ny firenena, ka an’isan’ny lohalaharana ny raharaha Ravinala Airports,

04-nov-2021

 izay isan’ny nitsikeran’ny Fitondrana ankehitriny mafy ny Fanjakana Rajaonarimampianina. Niaka-pofona ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena omaly izay mahita fa tsy rariny ny hoe : 40 euros (200 000 ar) isaky ny mpandeha ho any ivelany sy 20 euros (100 000 ar) isaky ny mpandeha amin’ny zotra ato anatiny no aloa amin’ny Ravinala airports mandritra ny 28 taona noho ny fanamboarany ny seranam-piaramanidina Ivato, araka ny fifanarahana tamin’ny 2015, hoy ny tatitra voalohany voarain’ny fanadihadiana parlemantera izay nampahafantarina omaly teny Tsimbazaza. « Atsaharo ny fivarotana tanindrazana toa izao, tena tsy rariny io, ahoana no hieritreretana sy hanekena hoe tsy manana « salon VIP » ao amin’io seranam-piaramanidina vaovao io ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Air Madagascar, hoy i Brunelle Razafitsiandraofa. «Aza amidy intsony kosa ilay firenena fa tena ampy izay, iza no mahazo tombotsoa amin’io ? Toa tombotsoa manokana sy izay hahazoana vola fotsiny no ataon’ny manam-pahefana sasany ao amin’ny fahefana mpanatanterakka ka tokony tena hijoro ary ho sahy hanadihady izany ny parlemantera, hoy ny depioten’Ikongo hita ho tena nisafoaka mihitsy. « Betsaka ireo fitarainana voaray avy amin’ireo teknisianina miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina mahakasika ny fitrandrahana ny seranam-piaramanidina », hoy ny tatitra vonjimaika novakian’ny depiote Alain Ratsimbazafy omaly, ka anisan’izany ny avy amin’ny mpiasan’ny Adema. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny seranam-piaramanidina ao ny Air Madagascar tsy manana « salon VIP » ary tsy nahazo ny « espace Duty free » ihany koa ny « Sofitrans »,... Tsy azo atao ihany koa manorina seranam-piaramanidina hafa ao anatin’ny faritra 200 km manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be Fascène, araka ny fifanarahana nataon’ny fanjakana Malagasy sy ny Ravinala Airports ihany. Mbola hitohy mandritra ny enim-bolana ny fanadihadiana parlemantera amina sehatra miisa 5 mialohan’ny tatitra ofisialy satria tsy ampy ihany ny fotoana nanaovana izany tany aloha noho ny fahamehana ara-pahasalamana nihatra teto amin’ny firenena. Irariana mba hisy ihany koa ny fanadihadiana toy izao amin’ny Orinasa Jirama, ny fitantanana volam-panjakana, ny famatsiam-bolan’ny covid-19, ny fandaniam-bola mihoampampana amina zavatra toa tsy dia maika loatra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap