airtel

Toekarena

24-mai-2022

Toekarena

Tondro momba ny fahantrana Milentika hatrany i Madagasikara

Sample post image

Nampiakarina ny marim-pandrefesana ny fahantrana maneran-tany. Tsy 1,90 dolara (7.570Ar) intsony fa lasa 2,15 dolara (8.570Ar eo ho eo), ka izay tsy manana an'io isan'andro iainany izany dia ao anatin’ny sokajin’ny mahantra

24-mai-2022

farahidiny na “extremement pauvre”, araka ny famaritana vaovao napetraky ny Banky Iraisam-pirenena. Mihatra manomboka amin’ny main-tanin’ity taona 2022 ity io. Taratry ny fiakaran’ny vesatra zakain’ny mponina amin’ny firenena maivana ara-pidiram-bola mba hamaliany ny filàna fototra toy ny sakafo, fitafy, trano fonenana,… io teo anelanelan’ny 2011-2017 ny sora-bola teo aloha io, ary ny lanjan’ny 2,15 dolara tamin’ny 2017 dia mitovy amin’ny lanjan’ny 1,90 dolara tamin’ny 2011, hoy iry rafitra ara-bolan’ny Bretton woods ity. Ho an’i Madagasikara manokana, hiakatra indray izany ny taha ara-pahantrana raha raisina amin’io. Ambony ny isan’ny olona mahantra farahidiny kanefa ny fahefa-mividin’ny olona tsy misy fihatsarany. Na eo aza ny fampiakaran-karana 200 000 lasa 250 000Ar ny farany ambany satria mbola tsy mahatratra ilay fetra farany 2,15 dolara napetraky ny banky iraisam-pirenena raha ny kajikajy satria manome 8 330 Ar izany hoe: 2,09 dolara eo. Raha ny antontan’isa farany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ny taona 2020 dia 81% amin’ny Malagasy no mahantra farahidiny, kanefa mbola tao anatin’ilay 1,90dolara isan’andro, izany hoe : mbola ambonin’io, raha miainga amin’ilay 2,15 dolara isan’andro. Tany amin’ny faran’ny desambra 2020, nahatratra 1,4 tapitrisa ireo olona nidina any amin’ny fahantrana farahidiny, raha ny tatitra nataon’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany. Maminavina ny Banky Iraisam-pirenena fa 78,8% ny tahan’ny mahantra ny taona 2023 ary 77,9% eo kosa amin’ny 2024 raha mbola ny mari-pandrefesana teo aloha 1,90 dolara no hikajiana azy. Toa taratry ny fanasokajian’ny Firenena Mikambana antsika ho ao anatin’ny firenena tsy manan-kohanina sokajy faha-5 amin’ny IPC (Integrated phase classification) io. Hatreto anefa, mbola tsy arakaraka izay ny laharam-pahamehana fa ny mamirapiratra raha tsy hilaza afatsy ny kianja manara-penitra saika isaky ny faritra. Efa hesoin’ny olona amin’ny hoe : atao fitaratra amin’ny politika hampiharina amin’ireo tany mahantra sy marefo indrindra saingy tsy taitra fa mirehareha aza. Mbola haingo ambony tsikoko foana ve no maika ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap