araka ny politikam-panjakana ankehitriny, ny masoivoho Alemana. Tonga hatrany amin’ny fanoritsoritana ny fiaraha-miasa ho apetraka amin’ny firenena alemana toy ny fijerena mpiara-miombon’antoka hanafainganana ny asa ara-indostria hanapariahana ny ozinina ODOF manerana ny distrika sy ny kaominina eto Madagasikara ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Isan’ny paikady entina miaro ny vokatry ny tantsaha sy ny ny famokarana eny ifotony mantsy ny Tetikasa ODOF hilofosan’ny MIC ankehitriny. Nifantoka tamin’ny fampandrosoana ara-indostria ny fihaonana teo amin’ny roa tonta omaly Alatsinainy 03 Jona, nahitana Minisitra Edgard Razafindravahy andaniny sy ny Ambasadaoron’i Alemana, Atoa Michael Häusler. « Fanoitra iray tsy azo hiodivirana ny fiaingan’ny fandraharahana eny ifotony amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny tantsaha mpamboly. Antoky ny fampandrosoana manakaiky ny mponina ny fanodinana ny vokatry ny tantsaha sy ny famokarana eo an-toerana ihany», hoy ny Minisitra tamin’ny Ambasadaoro. Naneho ny finiavany hanamafy orina hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny Ambasadaoro Alemana. Notsindriany manokana nandritra ny fihaonana ny fahavononan-dry zareo Alemana amin’ny fampandrosoana ara-indostria sy ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Mitovy ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Hifanampy amin’ny MIC ny eo anivon’ny masoivoho alemana amin’ny fijerena mpiara-miombon’antoka na koa orinasa alemana mpampiasa vola hampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy. Nampahafantarin’ny Ambasadaoro nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny fandalovan’ny delegasiona ahitana orinasa alemana misehatra amin’ny angovo azo havaozina sy harena an-kibon’ny tany, eto Madagasikara, amin’ny volana Oktobra sy Novamba ho avy izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta !