antony hisian’ireo hetsika maro samihafa etsy sy eroa. Ho an’ny Madavision manokana dia nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay hetsika La grande braderie de Madagascar karakarain’izy ireo. Haharitra efatra andro izany ahitana ireo karazana kojakoja ilaina ao an-dakozia, ny sakafo, ny fitafiana, ny finday, ireo kojakojana ilaina amin’ny fiara….Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision dia hentitra dia hentitra izy ireo amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Toraka izany koa ny fanajana ilay fihenam-bidy 15% mba hahafahan’ny mpanjifa tsirairay avy misitraka izany. Efa diso milatsaka be loatra mantsy ny fahefa-mividin’ny Malagasy raha araka ny fanazavany ka tsy maintsy mifampitsinjo.
Pati
Legende : Be olona tahaka izao sahady ny andro voalohany omaly
Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika
Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny