airtel

Toekarena

21-oct-2022

Toekarena

Tsenabe Voatra Hanampiana ireo orinasa vao misondrotra

Sample post image

Ho tontosaina ny 26 hatramin’ny 29 oktobra 2022 izao ny tsenabe Voatra ho an’ity taona 2022 ity.

21-oct-2022

Araka ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly dia eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanatontosana izany. Ankoatran’ny varotra fampiratiana dia maro ireo zavatra hiseho eny an-toerana. Isany ny atrikasa mahakasika mivantana ireo orinasa madinika na PME, fampianarana ny lalana mifandraika amin’ny varotra ao anatin’izany, fitondran’ireo orinasa efa nahita fahombiazana traikefa ho an’ireo orinasa vao misondrotra. Nanomboka ny taona 2013 no nanomboka ity hetsika ity, hoy hatrany ny fanazavana, ary nanomboka ny fotoana nisian’ny Covid 19 dia hevitra tapaka ny hanisy tambazotram-pifandraisan-davitra hanatontosana ity hetsika ity mandavan-taona na “site virtuel”. Miisa 60 moa ireo mpandray anjara, hoy hatrany ny fanazavana, ary tanjona lehibe ny hanampiana ireo orinasa vao misondrotra.
J. Mirija/Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap