ataon’ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny USAID na ny Sampan-draharaha Amerikanina ho an’ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny fikasana hanetsika sy hanitsy ny politika ivelan’i Etazonia izany, ary efa manomboka mihatra ny fiantraikany mivantana eto Madagasikara. “Tetikasa 111 amin’ny sehatry ny fahasalamana sy 2 amin’ny fanabeazana no ahitana fiantraikany mivantana amin’izao fotoana izao,” hoy ny fanamarihan’i Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, minisitra misahana ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, raha vahinin’ny fahitalavitra tsy miankina ny faran’ny herinandro teo. Na dia mbola tsy nikatona tanteraka aza ireo tetikasa ireo, dia nomarihany fa “anisan’ny tetikasa miankina amin’ireo mpamatsy vola marobe” izy ireo, ka nilazana fa manome fanantenana kely izany eo amin’ny fitohizan’ny asa. Araka ny nambaran’ny minisitra, dia efa nihatra ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny famatsiana avy amin’ny Usaid. “Misy asa efa very, saingy misy ihany koa ireo mpiasa afaka nafindra amin’ny tetikasa hafa izay tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka hafa,” hoy izy. Mikasika ny fepetra raisin’ny fanjakana, dia nambara fa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola i Madagasikara amin’ny fananganana drafitra vonjimaika. “Anisan’ireo mpandray anjara amin’izany ny Minisiteran’ny Asa sy ny Fampananana Asa”, hoy izy, nanampy fa mieritreritra fanovàna na fanodinana tetibola ihany koa ny fanjakana mba hanampiana amin’ny fitantanana ity krizy ara-bola tsy ampoizina ity. Manan-danja ny tohana nentin’ny USAID indrindra ny lafiny mahaolona, ka araka ny tatitra ofisialy avy amin'ny USAID ho an’ny 2023, ohatra, dia teo amin’ny 133,5 tapitrisa dolara na 600 miliara Ar teo ho eo ny fampiasam-bolan’ny USAID teto. Ity vola ity dia natokana ho an'ny tetikasa maro samihafa, indrindra amin'ny sehatra manan-danja toy ny fahasalamana, fanampiana ara-tsakafo, fambolena, fanabeazana, ary fitantanana. Fahasalamana sy mponina: 71 tapitrisa dolara fanohanana ny mahaolona sy fanampiana ara-tsakafo maika: 78 tapitrisa, fambolena: 12 tapitrisa dolara, fanabeazana: 1,7 tapitrisa dolara, fitantanana sy fanjakana tsara tantana: 3,4 tapitrisa, fampandehanan-draharaha: 18 tapitrisa dolara, tetikasa hafa: 6,8 tapitrisa dolara.
TSY MANAM-BAHAOLANA NY FANJAKANA…
Manomboka miantraika amin’i Madagasikara mazava ho azy ny fiovan’ny lamina eran-tany, indrindra fa ny politika vaovao ataon’ny Amerikanina amin’ny lafiny toekarena sy ara-barotra. Efa miantraika io ny voka-dratsin’ny fanafoanana ny USAID, miato fotsiny fa mbola loza manambana ilay fampiakaran-ketra 47% ho an’i Madagasikara izay hampihena 42% ny fanondran’i Madagasikara lamba makany Etazonia ary 12,10% ny fanondranana lavanila raha mihatra araka ny voalazan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Mbola baraingo ny hoavin’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) izay amin’ny septambra no tapitra ka tsy hay izay hoavin’i Madagasikara kanefa asa 180 000 no miankina aminy indrindra fa ny indostrian’ny lamba sy ny lavanila. Manambana ihany koa ny hamadihan’i Etazonia ho Birao tsotra ny departematam-panjakana misahana an’i Afrika ka hahena ny fampiasam-bola, masoivoho maro mety hakatona sy hatambatra ka anisan’ny lohalaharana ny atsimon’i Sahara,… Ho an-dry zareo Alema, hifarana tanteraka amin’ny aogositra 2025 ny FES (Friederich Ebert Stiftung) eto Madagasikara noho ny fameran-dry zareo Alema ny fampiasam-bola aminy, ka anisan’ireo 9 voafaritra fa hakatona ny eto amintsika. Nitondra tantsoroka samihafa momba ny fampiroboroboana ny demokrasia, haitarika, Fanjakana tan-dalàna,… Manomboka henjana ny tsio-drivotra eran-tany izay manery ny Firenena toa antsika tsy hiankin-doha fa hanana paikady mahomby ara-toekerana saingy niomana sy manana vahaolana amin’izany ve ny fitondrana ankehitriny ?
Toky R