airtel

Toekarena

11-juin-2026

Tsivery Mao Tse-Toung

«Miandrandra fanazavàna,

Sample post image

mangarahara, marina ny vahoaka»

11-juin-2026

Nasiana tomponandraikitra hikarakara izany fikaonandoham-pirenena izany, hoy ny mpamakafaka politika, Tsivery Mao Tse-Toung. Namoronana minisitera mihitsy izany, hoy izy. Matoa mbola notazonina ho minisitra ilay olona, nisy ve izany ny fahombiazany sa tena zara-seza ara-bakiteny? Inona no tsy nanesorana izay tsy nahatanteraka adidy? Tokony hitsara tena ny antoko misy azy sy izay nanolotra azy! Maninona no tsy omena ny tena fahefàna tokony ho sahaza azy amin’ny fikarakaràna ny FFKM? Tsy afaka hiatrika fikaonandoha ny vahoaka 30 tapitrisa fa tsy maintsy solontena. Maninona no tsy nirosoana, ohatra, hoe filoham-pokontany na sefo fokontany no misolo tena? Mbola mihodinkodina isika nefa raha ny hafatra farany teto izao dia hoe aoka ho rafitra no hivoaka anaty fikaonandoham-pirenena fa tsy olona! Tsy mety mifarana hatreto ny ady an-kanina politika izay mahamenatra hatramin’izay. Izany indrindra no tokony havaozina eto an-tanàna. Ohatran’ny valala voatango ny vahoaka malagasy izao amin’ny fanodinkodinan-dresaka eto amin’ny firenena. Am-bolana maro izao no namotehan’ny rivodoza an’i Toamasina. Rava tanteraka any hatramin’izao na foto-drafitr’asa na toeram-ponenan’ny mponina. Toeram-ponenana moa no iantsoantsika azy kanefa rehefa tena dinihina dia toeram-pialofana no voatonona rehefa traboina ireo mponina. Tsy manan-kialofana hoy isika. Na ny toerana heverina ho mafy orina aza rava daholo. Heverina fa tsy tokony hiandry fikaonandoham-pirenena ny fanarenana ny firenena! Toa lasa kajy politika no hanenjehana solombavambahoaka iray nefa oviana moa no nipetraka teto izany politika mikasika ny tantsaha izany? Ekena fa mividy vary mora ny olona amin’izao fotoana izao. Mpamboly ny tena fa tsy handatsa olona mividy vary mora ankehitriny. Ny mahazo ny tantsaha nefa tena manakaiky ilay hoe mihinan’ny fatiny amin’izao fotoana izao. Tsy misy vahaolana fa dia jerem-potsiny. Tokony tsy hiandry fikaonandoham-pirenena ny fikaroham-bahaolana amin’izany rehetra izany. Raha atao hoe 8 volana izay no lasa, 2 taona no nifanarahana, tsy efa betsaka ihany ve izany izay lasa izay? Sao dia toy ny fehezanteny taloha ihany ilay hoe vao 8 volana izay? Toy ilay hoe mbola tsy ampy ny «2 mandat» fa aleo atao «3 mandat». Ny mpanao politika no mbola milalao fa alàko manokana ny filohan’ny fanavaozana. Fiteny teo aloha ny hoe manodidina azy. Mbola lalaovin’ireo olom-boatendry ny raharaham-pirenena. Tsy mbola hita mazava ny ady amin’ny kolikoly. Toy izany koa ny fanatsaràna fiainam-bahoaka. Io indray ny hetra vaovao be tsy mazava amin’ny olona. Hafaingano ny fikarakaràna fikaonandoham-pirenena fa mila mametra-pialàna izay nametrahana andraikitra hanatanteraka izany rehefa tsy tanteraka afaka 1 volana io. Raha nisy ny nantenaina tao anatin’izao fanavaozana ny repoblika izao dia ny fiandrandrana fanazavàna ho mangarahara sy marina kanefa izao dia toy ny tankotankonana sy sarontsaronana ny zavatra tanterahina. Io no hita ho mampihitsoka ilay fikaonandoham-pirenena. Tsy manazava tsara ny dingana efa vita mikasika ny fikaonandoham-pirenena ny minisitera tomponandraikitra. Vola 150 tapitrisa Ariary omena ny FFKM ve dia tokony hitarihina resabe? Vidina inona iray ao anaty fitondràm-panjakàna moa izany vola izany? An-tampitrisa Dolara nefa ny vola nolanian’ny CENI tamin’ny fikarakaràna fifidianana. Miandrandra fanazavàna, mangarahara, marina ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-juin-2026

Tsy mahasolo ny boky ny internet sy ny Facebook

Card image cap