airtel

Toekarena

11-mai-2023

Toekarena

Tsy fandinihana tetibola asiam-panitsiana

Sample post image

Tsy misy zavatra hiova amin’ity taona ity no dikany»

11-mai-2023

Anaty fivoriana ara-potoana ankehitriny ny eny anivon’ny parlemantera. Isan’ny fanontaniana mipetraka foana moa rehefa toy izao ny hoe fa inona tokoa ary ny tena dinihina ao Tsimbazaza ao na ao Anosy ao? Izay eo fa somary nanaitra ihany ny tsy fahenoana loatra ny fandinihina ny atao hoe tetibola nasiam-panitsiana na LFR tamin’ity taona ity fa avy hatrany izany dia hoe ny tetibola iaingana amin’io taona hoavy 2024 io aloha no ho jerena. Toy izao manaraka manaraka izao moa ny fahitan’ireo mpamakafaka sy manam-pahaizana manokana momba izany ny toe-draharaha.
RIVELLINO RAVELOMAHAZO, MPANAO POLITIKA, MPAMAKAFAKA RAHARAHAM-PIRENENA

«Ny fiainam-pirenena no dinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ireny no havadika ho lalàna dia tanterahana eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara amin’ny maha tany tan-dalàna antsika. Voalaza ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ny lalàmpanorenana izany. Tsara ho fantatra koa fa ny atao hoe tetibola dia vinavinan’ireo vola heritreretina ho ampiasaina eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara. Sora-bola izany izy ireny. Ireny avy eo no atao hoe fanampianara ara-bola izay azontsika amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola. Ny governemanta avy eo no manao ezaka amin’ny famoaham-bola. Misy ao anatin’izay ny fanomezan-toky sy fifanarahana na «engagement» ahafahana mamoaka hoe iny aloha ny 50% na ny izao isan-jato atao fanomezana, ny 10% trosa dia misy karazany toy izany izy io. Aza variana isika, noho izany, resahan’ny olona hoe tsy misy vola ny fanjakana na toy izao ny sorabola fa na iza tonga eo dia tsy maintsy sorabola aloha no iaingana. Amin’ny alalan’ny hetra, ny orinasam-panjakana, ny seranana sy maro samihafa no loharanom-bolan’ny fanjakana. Ireny avy eo no tsinjaraina. Tsy hoe tsy tafapetraka ny fitsinjaram-pahefana fa misy ilay fametrahana ny atao hoe fitsinjaram-pahefana tanteraka sy misandratra. Mizara eny amin’ny faritra, distrika, kaominina ny fahefana, izay fahefam-panjakana hanatanterahana ny lahasam-panjakana, ohatra. Tokony resahana kokoa ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena satria miainga avy any amin’ny faritra ny fampandrosoana. Ny olona rehetra ao amin’ny faritra no misehatra ahafahan’ny tamberi-ketra miverina ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina, faritra, distrika ary avy eo miverina aty amin’ny kitapom-bola foibe. Misy miteny fotsiny hoe omeo 800 tapitrisa Ariary avy ny kaominina. Tsy fitsinjaram-pahefana izany fa fampanantenana poakaty. Avy aiza ny vola hamatsiana izany? Misy sokajiny ny kaominina. Tsy hitovy ny vola omena ny kaominin’Antananarivo sy Arivonimamo na hafa. Misy ny kaominina ambanivolo sy an-drenivohitra.»
HARY RAZAFINDRAZAKA, INJENIERA, MPANDRAHARAHA, MPAMPIANATRA TOEKARENA ARA-BAROTRA SY VAROTRA IRAISAMPIRENENA (ECONOMIE MONETAIRE ET COMMERCE INTERNATIONALE)

«Nisy foana hatramin’izay ny fandinihana ny tetibola asiam-panitsiana na LFR. Misy fanitsiana tokony atao foana tsinona arakaraky ny tokony ho fipetraky ny laharam-pahamehana manoloana ny zava-misy eo amin’ny firenena. Tamin’ity moa izany hatreto anefa dia hoe tsy misy. Mahagaga ihany satria isika, ohatra, izao miresaka fotsiny ny tetibolan’ny CENI dia hoe tsy ampy ny vola. Mampanahy ihany izany. Hisy fifidianana ve izany sa tsia? Iarahantsika mahita ireny fa tsy voaloha akory na ny karaman’ny mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra aza. Na ny LFI na tetibola niaingana aza izany tsy vita hatramin’ny farany akory. LFI tokoa aza ve moa tsy tanteraka dia hanao LFR? Tokony jerena ihany ny laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao. Miresaka fiaingana ara-toekarena na «relance économique» isika. Anaty fahasahiranana lalina nefa ny mpandraharaha ankehitriny. Tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ity fanavaozana ara-ketra na «redressement fiscal» tsy mijanona ity isika. Maheno ianao hoe 100 tapitrisa Ariary boribory ilay izy dia hoy ianao hoe misy olana tokoa angamba ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Mila jerena izany. Sa hiandry amin’ny herintaona vao hanao «relance économique»? Tsy tokony omena fanalefahana ve izao ny orinasa mba isian’izany? Tokony ampirisihina izao ny fampiasana vola! Izany izao ilana LFR na fanitsiana. Ny dikan’io hoe tsy misy LFR io dia hoe tsy misy zavatra hiova amin’ity taona ity izany. Iny efa nambaran’ny GEM iny izany ilay izy hoe tsy manana enti-manana isika fa miandry 100 tapitrisa Dolara avy amin’ny banky iraisampirenena ahafahana mandoa ireo vola ireo satria ny LFI aza izany izao mampametra-panontaniana hoe firy isan-jato no tontosa na «execution budgetaire»? Mampivarahontsana ny maheno hoe tsy ho voahefa koa ny famerenana ny TVA na tamberim-bidin’ireo orinasa afakaba. Izay anefa no ahafahan’ny orinasa manao fampiasam-bola sy vina. Famotehana orinasa izany ary famotehana firenena. Ohatrinona ny devizy ampidirin’ireo orinasa afakaba ireo? Tsy lazaina koa ny olan’ny lavanilina farany teo. Anjorom-bala izany androany aloha ny sehatra tsy miankina nefa io no mamokatra ny harinkarena eto amin’ny firenena. Ny JIRAMA izao nisy zavatra namiratra kely ihany tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Vao niova nefa moa ny fitondram-panjakana dia nenjehana daholo ny mpitondra teo aloha dia najanona hatramin’ny tetikasa tao. Izay sehatra jabahan’ny fanjakana izany dia potika. Miresaka harena an-kibon’ny tany isika. Miresaka Base Toliara. Mbola tsy hita moa izay tena ho fipetrany fa ny mampalahelo fotsiny dia nisy fampiasam-bola be na «investissement» tao talohan’ny 2018. Depiote maromaro tamin’izany no nilaza hoe tsy izy io. Satria ve fitondrana Rajaonarimampianina tamin’izany fa izao lasa izy indray? Ilay fitantanana ny toekarena eto mihitsy izany no tsy milamina.»
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap