airtel

Toekarena

23-oct-2024

Tsy tratra ny fitomboan’ny harin-karena 4,5%

Mila 10% miakatra anefa vao hitan’ny vazan’ain’ny Gasy

Sample post image

Tsy ho tratra ny fitomboana ara-toekerana na « taux de croissance » 4,5% novinavinaina ho an'ny 2024

23-oct-2024

tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Voatazona eo amin'ny 4,2% toy ny taona 2023, raha toa ka 7,8% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana, raha ny tatitra savaranonando nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMOI taorian'ny fanadihadiana ny ampahany voalohany amin'ny FEC/FRD. Manome 17,2 miliara USD amin'ny antsoina hoe : « valeur nominal » ary 592 dolara eo amin’ny harin-karena isam-batan'olona io raha tratra. Ny 2025 no heverina ho eo amin’ny 4,6%. Eo amin’ny tondro mikasika ny fivoaran’ny olona na ny IDH, dia 0,487 ny isan’i Madagasikara, mametraka antsika any amin’ny laharana faha-177 amin'ny firenena 193, izany hoe : manakaiky ny rambony. Mandinika sy mampiditra fepetra maro, toy ny fijerena ny haavon'ny vola miditra isam-batan'olona ampitahaina amin’ny fahefa-mividy ny fandinihana ny IDH. Araka ny fanadihadiana momba ny fahantrana isam-pianankaviana na EPM tamin'ny taona 2021-2022, dia sokajiana ho mahantra ny olona mandany latsaky ny 1 453 987 Ar isan-taona, ary mahantra fadiranovana ny ambanin’ny 986 047 Ar isan-taona. Ny 77% ny malagasy no tsy mahatratra izay fetra amin’ny fandaniana ara-bola izay, voasokajy ho ao anatin’ny fahantrana. Araka ny EPM 2021-2022, ny 53,3% ny malagasy no tsy mahavita manatomombana manatanteraka ny filàna ara-tsakafo; 43,8% no tahan'ny fisitrahana rano fisotro madio ; 41,5% no tahan'ny fisitrahana herinaratra mandrena ny Nosy (anisan'izany ny 15% mahazo herinaratra avy amin'ny JIRAMA). Mihoatra ny antsasaky ny fianakaviana eto amin'ny firenena, izany hoe ny 7 amin'ny 10 no miaina ao anatin'ny fepetra tsy manara-penitra (mihoatra ny 3 ny olona ao amin'ny efitra iray). Nihena ny fananana trano ho an'ny fianakaviana ny taona 2010 ka hatramin'ny 2021. Mbola mahatratra 38,4% ny tahan'ny fangerena an-kalamanjana ary 12,4% ny fampiasana toeram-pivalanana nohavaozina. 1% monja amin’ny Malagasy no mahazo fiantohana ara-pahasalamana, ka 6% io amin’ny tanàn-dehibe, raha 0,4% monja kosa no any ambanivohitra. Tombanan’ny Banky Foiben’i Madagasikara hihena ho 7,2% moa ny sondro-bidim-piainana ho an’ny 2025, ary hidina tsikelikely eo amin’ny 6%. Mifandraika amin’ny fifehezana ny vidim-piainana dia mila mahatratra tahan’ny fitomboana ara-toekerana 10% na mihoatra i Madagasikara, izay mety mila taona maro raha tarafina amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny, izay vao mety ho hita taratra amin’ny tontolo ara-toekarena sy ara-tsosialy ankehitriny.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique