Mikasa hanafoana tanteraka ny TVA 20 % amin’ny zanabola amin’ny banky, izay nampidirina tao anatin’ny Lalàna mifehy ny tetibola 2025 araka ny lalàna laharana 2024 025 tamin’ny 18 desambra 2024 ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Ny Fanjakana Rajoelina no namolavola azy io, izay raha tsiahivina, ny 1 jolay 2025 no tokony hanomboka ny fampiharana azy, nofaritana fa efa mihatra tamin’ireo nindram-bola nanomboka ny 1 janoary 2025, saingy mbola nahantona ny fampiharana. Araka ny fanazavan’Atoa Aivo Andrianarivelo, Tale Jeneralin’ny BFM ny jona 2025, raha ohatra ka misy olona mindram-bola 1 000 000 Ar amin’ny tahan’ny zanabola 10 % isan-taona, dia tokony haloany 1 100 000 Ar. Ny 100 000 Ar zanabola dia taingenan’ny TVA 20 %, ka lasa 120 000 Ar no aloan’ny mpanjifa. Notsipihiny tamin'izany fotoana izany fa ny lalàna mifehy ny tetibola rehefa lany dia mihatra avy hatrany, saingy mbola misy fifampiresahana amin’ireo mpiantsehatra ity resaka TVA 20% ity satria tsy vita eo noho eo ny fampiharana azy. Ny Banky Foibe, hoy izy tamin'izany, dia manelanelana eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra fampindramam-bola mba hahitana ny fomba hanalefahana ny fiantraikan’ity fepetra ity. Ity hetra ity dia misy fiantraikany tamin’ny famatsiam-bola amin’ny alalan’ny “caisse” sy “signature”, ankoatra ny findramam-bola ho an’ny fanjifana sy ireo rafitra “microfinance”. Miankina amin’ny fankatoavan’ny Parlemanta anefa ny fanapahan-kevitra farany amin'ny fanafoanana azy. Tonga amin’ny fotoana mbola sarotra amin’ny fahazoana famatsiam-bola ity fepetra ity, ka nambaran’ny ministera fa hisy hetsika hanamafisana ny fahafahan’ny tetikasa mahazo famatsiam-bola sy hanitarana ny loharanom-bola. Nandritra ny hetsika nataon’ny Jeune Patronat de Madagascar (JPM), m nanamafy ny minisitra Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison fa ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola manaraka dia hoesorina ny hetra 20 % amin’ny zanabola amin’ny banky. Tanjon’ity fepetra ity ny hanamaivana ny vidin’ny famatsiam-bola ho an’ny orinasa sy hanamorana ny fidirana amin’ny findramam-bola, indrindra amin’ny sehatra tsy miankina izay mbola miatrika sakana lehibe amin’ny famatsiam-bola. Manantena fankatoavana avy amin’ny Parlemanta ny JPM, ary manantena ihany koa ny fanohizana ny ezaka hanatsarana ny fitoniana ara-pandraharahana na "climat des affaires", hanamora ny fampiasam-bola sy hanohana ny fitomboan’ny toekarena.
Toky R