tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Vizana tanteraka ny vola Malagasy Nitotongana 16,8% tao anatin’ny herintaona

Tsy mitsahatra mitotongana ny sandam-bola Malagasy, ary tsy tena manana vahaolana aloha hatreto ny Fanjakana Rajoelina. Raha ny tatitry ny Banky Foiben’I Madagasikara.

09-févr-2023

Sample post image

Nahatratra 16,8% be izao ny fitotonganan’ny sandam-bola ariary mitaha amin’ny Euro nandritra ny herintaona, teo anelanelan’ny desambra 2021 hatramin’ny desambra 2022 farany teo. Raha teo amin’ny 4 479,1Ar mantsy ny 1 Euro dia tafiakatra 4 728,6Ar. Nanoloana ny dolara kosa, teo amin’ny 12,8% kosa izany fihenen-danja satria raha niainga 3956A,7Ar dia tafiakatra 4462 ny desambra 2022. Tao anatin’ny 3 volana fahaefatra farany tamin’ny 2022 no tena nihamafy ny fitotonganana izay nahatratra 5,8% ny fitotonganana mitaha amin’ny Euro, ary 6,8 mitaha amin’ny dolara. Antony ny fitombon’ny fanafaran’entana, izay 24,1% ny fiakarany tamin’ny ankampobeny, ka ny fanafarana akora fototra fotsiny dia nahatratra 38% ny fiakaranyy, kanefa nisy fihenana 10,3% ny fanondranana lavanila. Raha nanondrana 2527,3 taonina mantsyy isika ny 2021 dia nisy fihenany maherin’ny 250 taonina satria 2268 taonina ihany ny 2022. Niteraka fihenana 11,5% tamin’ny fampidiram-bola io raha ny tatitra. Nanampy tamin’ny fampiakarana ny fanondranana kosa ny nikela sy kobalta naondran’ny orinasa Ambatovy izay nitombo 67,1%, ka nampitombo 25,3% ny fidiram-bola mitaha ny tamin’ny 2021.Nahatratra 10,8% kosa ny fiakaran’ny vidim-piainana nandritra ny herintaona, ka isan’ny antony ny fiakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena no nambara fa isan’ny tena nampidanana ny vidim-piainana eto, izay nampiakatra 14,7% ny saran’ny angovo, ary 6,8% ny fiakaran’ny vidim-bary. Tombanan’ny Banky Foibe ho 8,5% mety hiakatra 9,2% ny fiakaran’ny vidim-piainana hatramin’ny faran’ny taona. Vinavinaina ho 4,9% kosa ny fiakaran’ny harin-karena ho an’ny taona 2023. Rehefa dinihina, miharihary hatrany fa marary ny toekarena Malagasy, tsy voafehy ny fitotonganan’ny sandam-bola, izay midika fa tsy mahomby ny politika ara-toekarena. Maivana ihany koa ny famokarana, hany ka mamoaka vola kokoa isika kanefa maivana ny fampidirana vola vahiny. Ireny niaraha-nahita ireny ny fireharehana raha nanafatra entana ilaina andavanandro izay ekena fa tsy maintsy atao noho ny tsy fahampian’ny famokarana, saingy niaraha-naheno ihany koa ny fanantsantsoana, toy ny filazana fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra,…
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus