raha ny mikasika ny hoavin’i Madagasikara eo amin’ny lafiny toekarena, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Ny vokatra mba mampiditra devizy eto nopotehina, hoy izy. Isany ny lavanilina nefa io no mba mampiditra vola vahiny betsaka eto fa dia lasa mitovy amin’ny vidina tsaramaso maitso no vidiny. Mila devizy Euro na Dolara nefa isika hividianana solika any ivelany. Tsy maintsy hitotongana be no dikan’izay ny volantsika. Mety ho tafakatra 6000 Ariary aza io Euro io ary 5000 Ariary mahery ny Dolara atsy ho atsy. Vao mainka hiakatra no dikan’izay ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara. Manana vahaolana amin’izany ve ingahy Andry Rajoelina? Mitabebaka izy! Tsy ho vitany izany fa resabe fotsiny. Lafrantsa renimalalany tsy afaka hanampy azy mihitsy amin’izany. Ny any koa krizy izao. Na ny alemanina mitarika ny fiharian-karena any Eoropa aza dia mitotongana ny toekareny izao satria taloha nigalabona tamin’ny resaka angovo. Hatramin’ny entona mora be tany amin’ny rosianina. Amin’izao fotoana izao, noho ny ambom-po diso toerana dia lasa voatery mividy entona any amin’ny rosianina, saingy mandalo aty amin’ny indianina. Aza mandrevy hoe ny Vondrona eoropeanina izany no hanampy be anao, noho izany. Ny amerikanina io voa ihany koa satria efa “dédolarisé” na hoe ialan’ny olona tsikelikely ny Dolara amin’ny fivarotana eo amin’ny tsena iraisampirenena amin’izao fotoana izao. Ny amerikanina koa tia ady. Iadiany aty Okrainina. Ny sinoa koa nefa tsy maninon-tsy maninona azy. Iadiany indray izao aty Israely na “Moyen Orient”. Lany vola be amin’izany, tsy hanam-bola hanampiana antsika koa ny banky iraisampirenena sy FMI. Ao anatin’izany rehetra izany, eto Madagasikara, tsy azo ianteherana hoe famatsiam-bola betsaka avy any ivelany. Tadidio fa raha orinasa hiditra eto Madagasikara ka hamokatra ho an’ny tsena eto dia tsy maintsy maty antoka satria ambany be ny fahefa-mividin’ny gasy. Hamokatra ho any ivelany sarotsarotra koa satria ny vidin’ny angovo eto, na ny solika izany, na ny angovo avy amin’ireto “électrogène” an’ny karàna sy Henri Fraise ireto dia lafo be. Tsy mampino izany hoe hisy mpandraharaha be dia be hoavy eto izany fa nofinofiny toy ny nofinofiny hatrizay ihany izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija