airtel

Toekarena

01-déc-2021

Toekarena

Vokatra vita Malagasy Mivoatra ny fankafizan’ny mpanjifa azy

Sample post image

Isan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika fampirantiana vita Malagasy “Kanton’I Gasikara” tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina omaly ireo mpanao asa tanana avy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.

01-déc-2021

 Maro mpanan-talenta, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Yasimbola Faramalala, ny ao Atsimo atsinanana fa mbola tsy dia be mpahafantatra. Tanjona noho izany ny hampahafantatra izany, hoy izy. Tsara tarehy sy azo ampiasaina tsara ny vita Malagasy ary afaka ifaninanana amin’ny any ivelany. Isan’ireo vokatra naranty mampiavaka iny faritra iny ny “Fandambanana” izay solon’ny lamban-databatra efa hatramin’ny andro taloha. Ao koa ny satroka sy harona ary kojakojan-dakozia izay mampiavaka an’Atsimo Atsinanana. Ny kojakojan-dakozia moa dia niaraha-niasa tamina mpanao asa tanana Malagasy iray ka asongadina ao anatiny ny fahaiza-manao sary maneho ny hakanton’I gasikara hanaingoana ireo kojakoja ireo. Tsy voatery manao fitsidiham-paritra noho izany ny olona fa mijery ilay fitaovana dia efa mahazo sary an-tsaina ireo toerana. Hita ho miha liana amin’ny vita Malagasy isika ankehitriny ary manaporofo izany ny hita amin’ny haino aman-jery na eo amin’ny resaka filatroana ion a fitaovana hafa dia efa vita Malagasy no saika lamaody. Miha matanjaka kokoa noho ny teo aloha izany. Izahay izao mandray mpanjifa eo amin’ny 10 isan’andro eo ary ny 8 amin’izay dia Malagasy avokoa ka tena mahafaly ny mahita izany fivoaran’ny fankafizantsika ny vita Malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Yasombola manazava ireo kanton’Atsimo Atsinanana
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap