airtel

Toekarena

05-oct-2021

Toekarena

Vokatry ny Harena an-kibon’ny tany Malagasy Lasa any amina trafika ny ankamaroany, hoy ny mpikaroka

Sample post image

Tontosa omaly teny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso ny fanohanana voka-pikarohana ahazoana ny diplaoma HDR na “Habilitation à diriger des recherches” an’ny Dr Andriamamonjy Solofomampiely Alfred,

05-oct-2021

 mpikaroka momba ny jeolojia. Tsy mipetraka tsara ny rafitra itantanana ny firenena, hoy izy. Toy izay koa ny politika dia zary lasa any amin’ny trafika daholo no mandeha ireny vokatry ny tanintsika ireny. Mila ampanarahana ny lalana ny fitrandrahana rehetra eto amintsika raha tiana hitondra zavatra be dia be eto amintsika. Izay izy lasa any amina trafika izay ny ankamaroan’ny vokatry ny harena an-kibon’ny tanintsika no sakana tsy mampandroso antsika. Ankoatran’ny hoe ilay zavatra nataoko teo izao resaka vato GEM, mbola misy zavatra be dia be izay tsy haintsika mihitsy sy tsy nampahafantarina na ho anareo mpanao gazety aza. Mety any amin’ny praogramam-pampianarana mihitsy no voa. Misy ny karazana toy ny hoe akora fototra na “métaux de base” izay ilaina amina tekinolojia. Ny zavatra entinareo mandray feo izao dia avy amina vokatra jeolojika ny ankamaroany. Ny “terre rare”, ny nikela sy kaobalita, ny elmenita any Taolagnaro ireny, ny zavatra toy ireny dia tsy heritreretintsika Malagasy mihitsy. Toy izay koa ny grafita. Be dia be io aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimon’Antananarivo. Ireny no hanaovana “fibre de carbone”, “carrosserie” sy izay rehetra tsy eritreretintsika mihitsy. Tsy fantatsika Malagasy ilay izy dia tsara hatsaraina izay zavatra izay, hoy hatrany ity mpikaroka ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap