airtel

Toekarena

12-janv-2021

Toekarena

Vola azo amin` ny fanondranana Hamafisina ny ezaka efa natao amin’ny fampodiana azy

Sample post image

Ao anatin'ny toe-java-misy ankehitriny, mandroso soso-kevitra ireo mpahay

12-janv-2021

 

 

 

toekarena amin` ny fisokafan' ny sisin-tany mba hanohanana ny famerenana ny toekarena eto amintsika sy ny fidiran' ny vola vahiny ho eto Madagasikara. Etsy ankilany, ny Governemanta dia efa maminavina ny fiverenan'ireo hetsika ara-pizahantany tsikelikely ao anatin` ny telo volana voalohany ho amin`ity taona ity. Vinavinaina ihany koa ho 27% ny vola miditra amin` ny fanondranana ho an`ireo orinasa afakaba, ary koa ny fampiakarana ny fampiasam-bola mivantana (IDE). « Ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) dia mikasa ihany koa hanangana tahiry fifanakalozam-bola vahiny sy volamena bebe kokoa, mba hiantohana ny fiovan' ny vola tena ampiasaina amin'ny varotra, toy ny dolara. Ny fepetra, toy ny fanamafisana ny fifehezana ny fampodiana ny vola azo amin'ny fanondranana, dia horaisin'ny Fanjakana sy ny BFM ihany koa hiadiana amin'ny famoahana vola ", hoy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021.

Marigny A.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap