airtel

Toekarena

05-janv-2023

Toekarena

Volamena 1,03 taonina nolazaina hodiovina Ahoana ny tohiny, sao dia efa niova bolongam-bato ?

Sample post image

Ny 27 aprily 2022 no efa nankatoavina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fanadiovana ny volamena "or doré" ao amin'ny Banky Foiben’I Madagasikara (BFM) hodiovina ho lasa " or monétaire".

05-janv-2023

Efa nankatoavina ihany koa ny hampidirana azy ho tahirim-bola bahiny na “reserve de changes”. Ny fiandohan’ny volana jona no nambara ofisialy ny handefasana azy izay milanja 1,03taonina hodiovina any ivelany satria tsy vita eto Madagasikara izany, ka aty amin’ny faritr’I Afrika dia tsy misy afatsy I Afrika Atsimo no afaka manao izany, saingy niaraha-mahalala moa ny olantsika aminy noho ny raharaha volamena 73,5kg izay heverina fa mety antony tsy nisafidianana azy. Vitsy moa eto ambonin’ny tany ny orinasa manana ny fenitra sy manana ny fankatoavana iraisam-pirenena eken'ny London Billion Market Association manadio ny volamena ho lasa “or monétaire”, ka I Suisse no voalaza fa namaly ny antso. Eo am-panatanterahana ny pitsopitsony amin'ny fidirana amin'ny fanaovana " affinage" ny volamena voaangona ao amin'ny BFM ity farany amin'izao, hoy ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika ny 24 jona. Ny septambra 2022 indrayy anefa, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray an’ny Fanjakana indray fa “mbola eto Madagasikara, mbola tsy lasa any amin'ny firenena Soisa ny volamena milanja 1 taonina sy 3 kilao izay heverina hodiovina ho lasa "or monétaire ". Nolazaina fa mbola eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hahafahana manatanteraka izany ny Banky Foiben'i Madagasikara, araka ny nambaran'ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier. Volana janoary 2022 isika amin’izao ka tsy fantatra intsony hoe: inona ny tohiny sy ny niafarany? Nalefa nodiovina ihany ilay volamena sa tsia? Raha tsy nalefa, moa tena mbola ao sa sanatria efa nanjavona tahaka 36,433kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany izay tany amin’ny volana jona 2022 ihany koa no vaky am-batolampy ny resaka? Hatramin’izao iny raharaha iny tsy nisy tohiny intsony, tsy misy akony na eny amin’ny Bianco na eny amin’ny PAC (Pôle Anti-corruption) ka sao taorian’ny 36kg mahery nivadika korontamby tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany dia sanatria mety efa nivadika ho bolongam-bato ihany koa ny tao amin’ny BFM ?
ENCADRE
Raha ny tsiahivina ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty ny 13 desambra 2022 lasa teo, nahatratra 4,5 taonina ny volamena nivoaka an-tsokosoko teto Madagasikara nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny taona 2021 ka mahatratra 780 miliara Ar ny vola very tamin’i Madagasikara. Lojika raha mitombo ny ahiahy amin’ity trafikam-bolamena zavon-tany ity, izay tsy ny olon-tsotra sy ny vahoaka no madinika no mahavita an’izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap