airtel

Toekarena

30-nov-2021

Toekarena

Volan’ny Banky Iraisam-pirenena averina Tsy ny Fanjakana fa ny Jirama no handoa azy

Sample post image

Nanaiky handoa ny 2,510 miliara Ar ampahany amin’ny 6,910 miliara tamin’ny vola tsy mazava ny nampiasana azy tao anatin’ny tetikasa PAGOSE (Projet d’Amélioration de la Gouvernance et des Opérations dans le Secteur de l’Electricité)

30-nov-2021

 takian’ny Banky iraisam-pirenena ny famerenana azy hatramin’ny 3 desambra 2021 izao ny Jirama, raha ny nambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoron’afo Atoa Andry Ramaroson omaly. Mikasika ireo fitaovana 4,391 miliara Ar mahery, dia tsy very fa tsy tao anatin’ny fifanarahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena no nampiasana azy ireo, raha ny fanazavany. “Ny fitsirihana lalina na “audit” natao tamin’ny 2020 dia nisy zavatra nampisalasala tao, ary tsy iny ny “montant” fa mbola ambony lavitra noho iny”, hoy ity minisitra ity. Nisy ny notantanin’ny Minisitera, nisy ny tany amin’ny JIRAMA. Tao anatin’io fampitaovana io no tena nisy ahiahy betsaka. “Na very dia nanaovana fanambarana fahaverezana, fa ny entana tsy very, fa nampiasaina tamin’ny tsy izy tsy araka ny fifanarahana, dia anjaran’ny Jirama no mandoa an’iny”, hoy ny fanazavana. Niaiky ny fahadisoany ny orinasa Jirama tamin’ny fanaraha-maso, ka hiantsoroka manontolo ny famerenana izany. “Amintsika miteny izao, dia ny Jirama no namaly voalohany. Ny jirama amin’ny maha orinasa azy fa tsy olona no nanao ny lesoka, dia izy ireo no hiantsoroka izany, fa tsy Raiamandreniny dia ny Fanjakana. Hanery ireo “préstataire” nifanaraka mba hanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy. Hiantsoroka ny asa izay natao fa tsy araka ny tokony ho izy”, hoy ny minisitra. Nambara fa hitady ny fomba ahafahana manalefaka ny fandoavana azy, hiady varotra,... Mangataka ny hanalavana ny tetikasa PAGOSE mba ahafahana manarina ny tsy mety. Nambaran’io minisitra io, araka ny heviny manokana moa, fa nisy ny tsy fahombiazana ny tetikasa PAGOSE, izay marihina fa efa hifarana. Volan’ny Jirama avy amin’ny fakioran’ny vahoaka izany mazava ho azy no handoavana an’io raha zohiana amin’ilay hoe: tsy ny Fanjakana no handoa azy. Fa inona moa no hadisoan’ny mpanjifa amin’izany ?
Legende : Minisitry ny angovo sy ny akoron’afo Atoa Andry Ramaroson, velon-tsiky omaly
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap