airtel

Toekarena

09-mai-2022

Toekarena

Vondrona Eoropeanina Mitaky antoka ara-pampiasam-bola

Sample post image

Notsipihin’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina Giovanni Di Girolamo manokana ny faran’ny herinandro teo fa ny fanavaozana ny antoka eo amin’ny tontolo ara-pampiasam-bola na “climat des affaires”,

09-mai-2022

raha tiana ny hahatanteraka ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Fampitoniana ny fananan’ny mpampiasa vola antoka, fanatsarana ny fanajana ny fifanarahana,… no isan’ny nomarihiny manokana. Izany no anisany ahafahana misintona mpamatsy vola na ny avy any ivelany na ny avy eto an-toerana. Tena zava-dehibe izany, raha tiana ny hahatanterahan’ny PEM tokoa hatramin’ny farany, hoy izy, izay nanipika fa tsy ampy ary tsy mahasehaka ny fampandrosoana ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, fa tena mitana anjara toerana goavana ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola eto an-toerana. Mila tontolo ara-pandraharahana tony mba ahafahan’ny mpandraharaha mivelatra amin’ny sehatra hampiasany vola, mampiasa olona maro mba hitondra akony ara-toekarena. Mila fandriampahalemana ihany koa indrindra ny faritra mamokatra, mila jerena ny hanomezana toerana ny tanora bebe kokoa mba hamokatra sy ho ain’ny toekarena, ilaina ihany koa ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fanarenana ireo làlana mba hampihenana ny saran-dàlana, ny fanamorana ny fahatongavan’ny vokatra makany amin’ny mpanjifa. Tsy tongatonga ho azy ny fanamarihana nataon’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina fa mijery sy mahita tsara ny zava-misy eto ireo. Tsy dia milamina loatra, ary tsy misy amin’ny mpandraharaha sy orinasa eto Madagasikara no tsy manana antoka antoka, mahatsapa ho tratry ny antsojay, volosan’ny Fanjakana amin’ny resaka hetra na “rédressement fiscal”. Isan’izany ny fitakian-ketra nalefa tamin’ny orinasa maro, izay mihoampampana satria misy ny sasany voalaza fa mihoatra ny renivolan’ny orinasa no notakiana. Manaratsy endrika ny raharaha nahazo ny orinasa QMM tao anatin’ny tapa-bolana, izay nosakanan’ny andian’olona ny fahafahany miasa, ary ny faran’ny herinandro teo vao nandeha ny fifandaminana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap