airtel

Toekarena

17-août-2021

Toekarena

Vondron’ny orinasa tsy miankina “Maty izahay, asio drafi-pivoahana amin’ny krizy”

Sample post image

Nandefa taratasy misokatra nakany amin’ny Filohan’ny Repoblika ireo vondron’orinasa sy sendika amin’ny sehatra tsy miankina ara-dalàna eto Madagasikara ao anatin’ny Conféderation du Tourisme,

17-août-2021

 GEM, FIVMPAMA, SIM,….. Sokajiana ho herivelona ara-toekarena sy tompon’andraikitra amina asa mivantana ara-dalàna 500 000 eto Madagasikara. Naneho ny ahiahy goavana eo anatrehan’ny toe-draharaha ara-toekarena ankehitriny. Mitana ny 60% amin’ny harin-karena faobe (PIB) eto Madagasikara anefa ny sehatra misy azy ireo toy ny : agribusiness, Banky sy fikirakirana ara-bola, asa vaventy, fanafarana fiarakodia, fanafarana sy fampidirana entana, harena an-kibon’ny tany sy solika, fifandraisan-davitra sy ny nomerika, fizahantany sy fampiantranoana, fitaterana,… Na misy aza ny mety ezaky ny governemanta, dia nohitsian’izy ireo ny tsy fahatarafana paikady mazava mba hivoahana amin’ny krizy, izay tena mamotika tanteraka ny toekaena ary miantraika betsaka amin’ny tontolon’ny asa. Mijaly ny sehatra tsy miankina rehetra, ary ny sasany efa nandohalika tanteraka, saika manerana ny firenana fa tsy eto an-drenivohitra, indrindra any amin’ny faritra mamokatra sy ara-pizahantany, hoy ny vondron’ny orinasa. Na eo aza ny ezaka ataon’ny samy orinasa dia eo ihany koa ny tsy mba fisian’ny fanohanana na « subventions » toy ny any amin’ny firenen-kafa, nitotongana hatrany amin’ny 44% ny asa sy ny vola niditra tamin’ny tsy miankina tamin’ny ankampobeny mitaha ny tamin’ny 2019, ary tafiakatra hatrany amin’ny 90% ho an’ny indostria momba ny « dia » na « voyage ». Maro tamin’ireo mpampiasa no tsy nanan-tsafidy tsy maintsy nandroaka mpiasa noho ny toekaren’ny orinasa. Notsiahivin’izy ireo ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny desambra 2020 fa nahatratra 1,4 tapitrisa ny olona nivarina tanteraka any amin’ny fahantrana farahidiny ny 2020 noho ny fahaverezan’asa indrindra tamin’ny sehatry ny indostria sy ny « services ». Vavolombelon’io fitotonganana goavana ion y orinasa rehetra teo amin’ny fanjifana isaky ny sehatra, ary tena azo tsapain-tànana ny fitotonganan’ny fahefa-mividy.
« ANDAO HIDINIKA… »
Mitaraina amin’ny fijotsoan’ny fidiram-bolany hatrany ny orinasa satria ny 80% dia potika sy nihanarefo hatrany ny tontolon’ny fandraharahany ny 2019-2020. Isan’ny notsiahivin’izy ireo ny manjo ireo mpisehatra amin’ny asa vaventy izay mbola mahatratra 60 miliara Ar any ho any no voalaza fa mbola tsy nalohan’ny Fanjakana. Hatramin’izao saika tsy mbola latsaky ny 50% no mety manana fanantenana amin’ny 2021 ary 60% mbola tsy manana fanantenana firy… Noho izany rehetra izany sy ny sisa tsy voatanisa. Miantso fifampiresahana mahomby amin’ny Fanjakana ny sehatra tsy miankina mba ahafaha-manarina sy mamaha ny olana misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap