airtel

Toekarena

07-mars-2022

Toekarena

Vovonana « miaraka.com » Mpandraharaha maherin’ny 2000 no voafitaka

Sample post image

Maherin’ny 2000 isa ireo mpandraharaha Malagasy lasibatry ny vovonana namitaka azy ireo iray antsoina hoe miaraka.com, raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ireo resy lahatra ny hametraka fitoriana manoloana ny toe-draharaha,

07-mars-2022

 Harivola Raharinosy, ny sabotsy teo. Mbola nanao antso avo tamin’ireo izay nandrotsa-bola na “investisseur” rehetra tao amin’ity vovonana ity moa izy ireo io sabotsy io, tetsy amina toerana iray etsy Analakely. Vovonana natao hampiray mpampiasa vola sy tompona tetikasa izy io nanomboka ny taona 2020, hoy ity mpandraharaha ity. Betsaka ny olona azony ary nanomboka nisy olana ny volana janoary teo, hoy izy. Nisy ny fitsiriham-pitantanana na “audit” nataon’izy ireo izay niafara tamin’ny fampiatoany ny hetsika rehetra nataony. Vita ny “audit” dia namoaka izy hoe anaty fahasahiranana na “en état déficitaire”. Nalefany tany amin’ny tribonaly misahana an’izany na PCAP, izany hoe, « sur les procédures collectives d’apurement de passif” izany. Ao anatin’izany anefa izy dia mbola milaza aminay amin’ny SMS fa hamerina ny petrabolanay na “capital”, izay tsy misy idirany loatra amin’ny dingana nalefany tany amin’ny tribonaly misahana ny varotra. Misoratra tsara anaty fifanarahana fa na banky, izany hoe, « faillite » aza izy dia tokony hamerina ny volan’ireo nametra-bola tao. Niteny foana izy ao anatin’izany fa manana petrabola antoka na « fond de garantie ». Nanomboka izy nanao « audit » hatramin’izao anefa dia mbola tsy nisy dingana nataony ho famerenana ny petrabolan’olona. Voatery mametraka tsindry na manao fangatahana any amin’ny tribonaly misahana varotra koa noho izany ireo mpampiasa vola hoe tsy mifanaraka amin’ny nifanarahana ny zava-nisy. Nidiany ny birao ny 10 febroary dia tsy nandray finday intsony ry zareo. Izay no anton’ilay antsoavonay satria mbola betsaka ireo mpampiasa vola tsy maharaka ilay zava-misy. Izy milaza hoe hamerina ny petrabola nefa ny ahiana noho io dingana nataony izay nilazany fa anaty fahasahiranana io dia raha ohatra ka azony ilay rariny avy amin’ny fitsarana na “redressement judiciaire” satria “faillite” dia afaka tsy mandoa volan’olona izy. Miisa 250 eo izao ireo mpampiasa vola nivondrona niaraka taminay satria tsy ny olona rehetra no manao Facebook sy manana fahafahana hanao aterineto. Izay no antony nanaovanay fampitana amin’ny haino aman-jery toy izao. Manantena izahay ary matoky ny fahendren’ny fitsarana satria fiainan’olona 2000 no voatohitohina ary tsy vola kelikely ilay izy fa efa hatrany amin’ny 10 miliara ariary any raha atambatra ny vola azon’io miaraka.com io tamin’ny 2021. Ny “Millenium stone” izay orinasako no isan’ny nampidi-bola be tao. Maherin’ny 1 miliara ariary no nalainy tamin’io orinasako io. Hatramin’ny jolay 2021 no narirarirany foana ka tsy mety intsony, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay, hoy I Harivola Raharinosy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap