airtel

Toekarena

26-déc-2022

Toekarena

Ylias Akbaraly Mbola voasokajy ho isan’ny « CEO de l’année »

Sample post image

Mbola nosokajian’ny Financial Afrik ho isan’ireo olona 100 voasokajy ho mitondra fanovana an’I Afrika ny CEO-n’ny Vondrona Redland Ylias Akbaraly.

26-déc-2022

Ao anatin’ireo « CEO de l’année » na mpitantana oronasa mendrika nandritra ny taona izy, izay efa roa taona misesy tamin’ity no nahatafiditra azy tao anatin’izany. Ivondronan’ny Vondron’orinasa Sipromad sy ny Thomson Broadcast izay azony nanomboka ny aogositra 2018 moa ny Redland, ary voasokajy ho orinasa nahomby sy nahatanteraka ny fanamby hitondra fanovana amin’ny alalan’ireo orinasa mandrafitra azy mba ho lasa iray amin’ireo orinasa tena matanjaka sy manana ny maha izy azy aty Afrika, araka ny fahitan’ny Financial Afrik azy. Isan’ny nanamarika ity taona ity ho azy ny fahazoany GatesAir orinasa sangany Amerikanina eo amin’ny sehatry ny famokarana sy fikirakirana ary varotra eo amin’ny tontolon’ny fahitalavitra sy radio, izay lasa rantsan’ny Thomson Broadcast any Etazonia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap