airtel

Tranga

13-févr-2024

MPIVADY NIFAMALY

Nifamono sy niara-maty

Sample post image

Ahitan-javatra tsy hampoizina mihitsy eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

13-févr-2024

Mpivady izay 50 taona ny ralehilahy raha 27 taona kosa ravehivavy no nifamaly mafy tamin’ny Sabotsy 10 Febroary teo tao Vohimena,kaominina ambanivohitra sy distrikan'i Vangaindrano. Tsy naharitra fa niantso an-telefaonina ny zandary miasa amin'ny Poste avancé Matanga ny sefom-pokontany ao an-toerana noho izany rehefa tsy afaka nanao ny fanelanelanana intsony. Ilay fifamaliana teo an-daniny nihanahery vaika ihany. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary nijery ny zava-nisy ka nahitana fatin'olon-droa efa nitsiatra izay tao an-tranon'izy mivady ireo ihany. Tonga teo avokoa ny fianakavian'izy ireo noho izany naka ny razana rehefa vita ny fizahana natao. Efa mandeha moa ny fanadihadiana hataon’ny zandarimariam-pirenena ao Matanga manoloana ity tranga hafahafa sady mampalahelo ity.
Pati
Legende : Ireto ny fatin’izy mivady !
 

Dans la même rubrique