airtel

Tranga

21-mai-2025

Rano maloto eny Andranomanalina

Miverina mampijaly vahoaka !

Sample post image

Mitaraina fatratra ho mijaly manoloana ny fiangonan-drano maloto manodidina ny fonenan’izy

21-mai-2025

ireo amin’izao fotoana izao ireo mponina eny Andranomanalina I sy Andranomanalina afovoany, raha ny hafatra nampitain-drizareo omaly. Manaitra ny fitondràm-panjakàna izy ireo noho izany mba hamaha ny olana eny an-toerana satria dia nisy ankizy nianjera niaraka tamin’ny mamany mihitsy, vokatr’izany. Maty latsaka tao ilay zaza ary ny mamany maratra hatramin’izao. Tsy misy mpanofa trano atao ho tamàna mihitsy aty, hoy izy ireo. Hivarotra izahay, tsy afaka koa satria tsy misy mividy ny entana. Misy mariazy, tsy afaka mivoaka. Misy fahoriana, tsy misy mpijery fa tena mitoka-monina be mihitsy. Aman-jatony tafo no mandalo amin’io rano maloto miandrona be io nefa. Ny ankizy mikohoka, ny lehibe sempotra. Babena isaky ny mandeha ny ankizy mpianatra. Tsy misy mijery mihitsy ny ety, hoy hatrany ny renim-pianakaviana iray. Namoizako ny ain-janako io zava-misy io, iray volana lasa izay, hoy kosa ny reniben’ilay zaza maty. Nianjera tao izy mianaka dia maty tsy tra-drano ilay zazakely vao 5 volana, hoy izy. Mangataka ny fitondràm-panjakàna, noho izany, mba tena hijery akaiky ny ety. Mivoaka amin’ny 4 maraina izahay, tsy maintsy mandeha amin’io, ohatran’ireny mandeha anaty laglasy ireny. Misy zazakely miisa 2 ao izao marary maso. Sempotra ilay zaza. Vola itondràna azy any amin’ny Dokotera tsy misy. Mangataka amin’ny fitondràm-panjakàna ambony izay maheno anay hamaha ny olanay fa tena mijaly izahay, hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo. Tsiahivina moa fa ny filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina, sy ny ekipany no niara-nisalahy farany tamin’ireo mponina teny an-toerana nanala ireo rano maloto, fony ity filohan’antoko ity nilatsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo. Nosakanan’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra izany tetikasa izany tamin’ny fotoan’andro ary dia izao miverina izao indray izany ny fijalian’ireo mponina no sady miha mafy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique