airtel

Tranga

15-oct-2019

Tranga

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

15-oct-2019

 

 

 Nisy trangana fifandonana tamin'ny dahalo sahabo ho 30 sy ny andrimasom-pokonolona antsoina hoe : “Zazamainty” niandry kizo tao Ambatolahindravahy, kaominina Talata-Vohimena, distrika Manandriana ny harivan'ny alahady 13 oktobra. teo Vokany, dahalo iray no lavo, basy maherivaika Kalachnikov “type FAC” iray no azo ary tafaverina avokoa ireo omby 35 nangalarin'ireo dahalo.

Nahomby ny fanentanana ny fokonolona ao Talata-Vohimena mba handray anjara mavitrika amin'ny paikady atao hoe "Autodéfense villageoise", ka anisan'ny fanatanterahana izany ny fiandrasan'ny Vondrona "Zazamainty" ireo kizo tena atahorana.

Nisy trangana halatra omby, tao Soatono, fokontany Sahamandresy, kaominina Talata-Vohimena ny alin'ny 9 oktobra teo ka lasa  ny omby miisa 35. Rehefa nambenan'ireo Zazamainty ny kizo rehetra dia tao Ambatolahindravahy no lalan'ireo tsy matahotody ka raikitra teo ny fifandonana raha tsy mbola nampandrenesina ny mpitandro fialaminana. Mitohy ny famotorana ahitana ny tena nipoiran'ity fitaovam-piadiana ity.

Haja Nirina

 

Dans la même rubrique