Tao Mangarano Toamasina no nitrangan’ny tantara, izy izay fantatra fa tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manomboka anio alatsinainy 03 Jolay. Raha araka ny fantatra dia izy irery no tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy nisy nanana olana taminy anefa ireo fianakaviany hoy ny vaovao, ireto farany izay efa samy sonenika tamin’ny fikarakarana azy amin’ny fanadinana izay hatrehiny manomboka anio. Miahiahy ny amin’ny mety ho fisian’ny olona niditra tao an-trano ary namono ity tovolahy kely ity araka izany ireo fianakaviany , ka mody nahantona teo amin’ilay fandriana ny vatana mangatsiakany rehefa tsy nisy fofon’aina intsony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hamaritra ny zava-nitranga marina.
Legende : Niantona tamin’ny lamba teto amin’ity fandriana misy rihana ity no nahitana ny vata mangatsiakan’i Randrianaivo Alberto Lucas
(Sary nindramina))
Nangonin’i Pati