airtel

Tranga

09-mai-2022

Tranga

Tranga hafahafa Zazalahy 7 taona ahiana ho nanolana zazavavy 5 taona

Sample post image

Zava-doza no nitranga tany amin’ny distrikan’i Mahanoro. Zazalahy kely iray vao 7 taona monja mantsy no ahiana ho nanolana zazavavy kely iray vao 5 taona monja.

09-mai-2022

Tamin'ny desambra 2021 no voalaza ho nisehoan'io tranga io raha araka ny vaovao azo. Tamin’ny volana Janoary lasa teo anefa vao tonga nanatona ny ray aman-drenin'ilay zazalahy kely ireo ray aman-drenin'ilay zazavavy nilaza fa voaolana ny zakan’iretsy voalohany ny zanany ka tokony samy hanara-maso ny zanany roa tonta.Tamin’ny volana aprily teo anefa dia nisy disadisa teo amin'ireo Ray aman-dreny anankiroa . Nitory ilay zazalahy kely teny amin'ny sampan-draharahan'ny ministeran'ny mponina ao Mahanoro indray ny ray aman-drenin'ilay zazavavy kely ary nangataka onitra 2 tapitrisa Ariary. Nolavin’ny teo anivon'ity sampan-draharaha anefa ilay fitoriana satria tsy marim-pototra. Nifanaiky nanao raharaham-pihavanana narahin-tsonia ny Ray aman-dRenin’ireo ankizy nandritra izany fa tsy hisy disadisa intsony ka hamerina ny fihavanana izay efa nisy teo aloha.Nony taty aoriana indray anefa izany hoe tamin’ity volana mey ity dia nandeha tao amin'ny zandary ny Ray aman-dRenin’ilay zazavavy niverina nitory an'ilay zazalahy kely. Naka certificat médical mihitsy ireto farany nandritra izany. Voatery niakatra Fitsarana tao Vatomandry ny raharaha noho izany. Rehefa nataon'ny Fampanoavana ny famotorana tamin'ilay zazalahy dia nandà fa tsy nanao na inona na inona tamin’ilay zazavavy kely izy . Voatery notazonina ao amin’ny fonjaben’i Vatomandry ihany anefa ilay zazalahy kely na izany aza. Andrasana ny fivoaran’ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely
(sary nindramina)
 

 

Dans la même rubrique