airtel

Tranga

20-déc-2021

Tranga

Tranga hafahafaha mifono misitery Lahiantitra nilaza ho niaina tany ambany ranomasina

Sample post image

“Ny zoma 17 desambra 2021, dia nipoitra tampoka niditra tanatin'ny lakan'ny mpanarato tany anivon'ny ranomasina, 6km miala ny morontsiraka Ampasivelogno, Kaominina Ambodibonara ,

20-déc-2021

 distrika Ambilobe Diana ity lahiantitra ity raha araky ny fanazavana nataon'ny mpanjono izay nahita azy”, hoy ny vaovao niely ny faran’ny herinandro teo. Araky ny voalazan'ny sefo fokontany ao Tomboravo dia sady lalina no lavitra io ranomasina nahitana azy tampoka io, ka tsy misy fomba tokony nahatongavan'i Botokia teny. Gaga noho izany ny iray tanana. Noraisin'ny fokolona tao Ampasivelona an-tànana ny momba azy amin'izao fotoana izao. Marobe ny zavatra tantarain'ity lahiantitra ity ka anisan'izany ny hoe: mponina tany Anjiaben'i Mohia, ambanivohitry ny Sambirano Ambanja izy taloha, fa amin'izao dia miara-mipetra amin’ny fiarahamonina hafa any amin’ny tanana tsara any ambanin'ny ranomasina any. “Izany no voalazany fa tsy fantatray ny fahamarinana na fahadisoan'izany. Hatramin'izao dia mangataka ny haterina any ambanin'ny ranomasina izy satria manina ny vady malalany izay monina any” hoy izy, araka ny fitantaram-baovao.
“Quartiers-Mobiles” miisa 24 no mifandimby miandry azy. Ny sefo fokontany no mikarakara ny sakafony sy ny trano ipetrahany. Mitohy ny fanadihadiana momba ity tranga hafahafa toa mifono misitery ity. Hatreto kosa tsisy afaka ny hanamarina na handiso ny voalazan’io lehilahy io.
Toky R

 

Dans la même rubrique