airtel

Tranga

30-déc-2021

Tranga

Vadina pasitera nanala sofin’olona Naiditra am-ponja vonjimaika

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly hariva ao Tsiroanomandidy ilay ramatoa vadina pasitera nanampatra herisetra tamina tovovavy iray, raha ny fampitam-baovao voaray.

30-déc-2021

 Mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny sehatry ny fahasalamana, raha ny fanamarihana, ary niasa tao amin'ny CHD Fenoarivobe ilay lasibatra. Saro-piaro tafahoatra ilay ramatoa ka nolazainy fa maka an'i pasitera io mpirotsaka an-tsirapo io. Mody nasainy ho tonga tany an-trano kanjo tonga dia notondrahany rano mangotraka sy nokendainy ary rehefa torana dia nesoriny ny sofiny roa sady nodidididiany tamin'ny hareza ny tarehiny. Nohidiny tao an-trano avy eo. Nakarina omaly any Tsiroanomandidy moa ilay tovovavy manohy ny fitsaboana. Efa miha tsara ny fahasalamany na dia reraka aza vokatry ny ratra mafy nahazo azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. . Ny mampalahelo anefa dia mangataka ny hanolo ny heloka vitan’ity vady andefimandriny ity ilay pastera rehefa tsy nety tamin’ny fianakaviana ilay raharaham-pihavanana nangatahiny. Ho an’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka manokana izay mpiahy ity tovovavy ity amin’ny asany amin'ny alalan'ny ekipan'ny DRSP Bongolava sy ny SDSP Fenoarivobe, dia efa nisy ny fandraisana an-tanana haingana ny fitsaboana, tonga nidodododo nijery ity tovovavy ity ihany koa ireo mpiasan'ny fahasalamana, niombon'alahelo sy nankahery ary nanolotra solon-dranomboankazo ho azy.
J. Mirija sy Patti
Legende: Ilay mpilatsaka an-tsitrapo niharan’ny herisetra

 

Dans la même rubrique