airtel

Vaovao avy any ivelany

23-juin-2022

Vaovao avy any ivelany

Fiakaran’ny saran-dalana 1000 Ar Fitazonana aina fotsiny aza io, hoy ny mpitatitra

Sample post image

Fitazonana aina fotsiny, hoy ireo mpitatitra, io fampiakarana saran-dalana ho 1.000 Ar io na dia efa hiakatra avo roa heny be izao aza izany amin’ny fiandohan’ny volana jolay ho avy io.

23-juin-2022

Mbola fatiantoka hatrany mantsy no hiainan’ireo mpitatitra hoy ny filohan’ny koperativa Kaompimi, mitrandraka ny zotra 138 mampitohy an’Anosizato sy Anosipatrana ary Analakely. Efa ela no niainanay izany, hoy izy, nanomboka tamin’ny isan’ny mpandeha nampidinana ho 4 isaky ny laharana ao anaty fiara vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19. Toraka izany ihany koa ny haratsian-dalana, ny fiakaran’ny « assurance », ny halafosan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro raha tsy lazaina intsony ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika atsy ho atsy sy ny vidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiara, hoy hatrany izy. Nambarany fa miaina fahasahiranana toy ny vahoaka rehetra ny mpitatitra. Nomarihiny manokana moa fa mahalany lelavola 60.000 Ar isan’andro ny mpitatitra amin’ny vidin-tsolika hampiasaina. Noho ny fitohanana anefa, hoy izy, dia tsy mahavita toro mihoatra ny 5 isan’andro ny taxibe iray amin’ny olona 22 isa isaky ny mandeha raha tokony ho 2 na 27 isa izany ialan’ny seza afovoany. Mbola vola hafa ihany koa anefa ny karaman’ny mpamily sy ny mpanampy azy ka zara raha mandray 30.000 Ar isan’andro sisa ny taxibe iray. Efa tena tsy mety intsony ny asa fandraharahana momba ny fitaterana eto amintsika, hoy hatrany izy, fa tsy maintsy ilana vadin’asa raha tiana hahomby.


Nisy moa ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitry ny Vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na ny UCTU omaly, fa mbola vinavina ihany io fampiakarana 1000Ar io, mbola hisy ny fivoriana iarahan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny fitaterana.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola tsy ampy ho an’ireo taxibe eto an-drenivohitra hono ny saran-dalana 1000 Ar !
 

Dans la même rubrique