airtel

Vaovao avy any ivelany

05-juil-2022

Vaovao avy any ivelany

Fitsarana Mbola ferana ho 10 isan’andro ny fitoriana raisina ?

Sample post image

Mbola ferana ho miisa 10 isan’andro hatrany hatramin’izao ireo fitoriana raisina eny anivon’ny sampan-draharaham-pitsarana sasany,

05-juil-2022

raha ny fitarainan’ny olompirenena sasany hita hatramin’ny omaly. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fisian’ny Covid 19 teto amin’ny firenena no nisy izany, raha ny fampahatsiahivana, kanefa dia mbola io tohizana hatramin’izao io. Misy ireo nilahatra efa hatramin’ny 3 ora maraina, hoy ny fitarainana, saingy mbola tsy isan’ireo 10 ihany. Voatery miverina ny ampitso, noho izany, na dia efa misedra izany fiharetana rehetra izany aza. Ny mpianatra mpikaroka miharitra mangiran-dratsy mandra-paharivan’ny andro. Ny mpampianatra mpikaroka ampilaharina eny amin’ny paositra. Main’ny andro na dia efa maro aza ireo zokiolona. Ny volan’ny mpisotro ronono tantely afa-drakotra ary mampitaintaina ireo raiamandreny tokony efa hisitraka retirety. Io koa hatramin’ny fikasana hitondra fitarainana na fitoriana eny amin’ny fitsarana fa mampijaly. Mikatso ny fihariana. Mikatso ny fifamoivoizana. Mampijaly ny herinaratra. Anjaran’ny rehetra no manohy azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique