airtel

Vaovao avy any ivelany

20-juin-2022

Vaovao avy any ivelany

ZAP Ampitatafika Miisa 1.335 ireo mpiadina hiatrika ny CEPE

Sample post image

Efa mipetraka sy milamindamina avokoa ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny ZAP Ampitatafika. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Hanitriniala Tahiry,

20-juin-2022

sefo ZAP-n’Ampitatafika dia ny jiro no olana kelin’izy ireo aorian’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE hahafahana manao ilay transcription ao anaty solosaina. Nisy ny fangatahana milina mpamokatra herinaratra nitarainany tamin’ny kaominina araka izany ary efa nahazo izy ireo. Mikasika ny fiarovana ny mpianatra mandritra ny fanadinam-panjakana CEPE manoloana ireo halatr’olona sy hala-jaza miseho lany etsy sy eroa dia anisan’ny fepetra noraisin’izy ireo ny famondronana sy fandaminana ireo Ray aman-dReny isaky ny sekoly niavian’ny zanany. Tsy maintsy ireo Ray aman-dReny ihany koa no maka sy manatitra an-janany raha tsy azon’ny olon-kafa hidirana ihany koa ao anatin’ny foibem-panadinana. Miisa 1.335 moa raha tsiahivina ireo mpiadina hiatrika izany ho an’ity ZAP iray ity ka ny 463 amin’ireo no avy amin’ny sekolim-panjakana.
Pati
Legende : Rtoa Hanitriniala Tahiry, sefo ZAP ao Ampitatafika
 

Dans la même rubrique