airtel

Actualités

28-oct-2026

Afera boeing

mety hafindra ady heloka bevava

Sample post image

Voatonona Rajoelina sy Ntsay,

28-oct-2026

milentika ireo hafa…
Tsy tontosa omaly 27 oktobra ny fitsarana ireo olona voakasika tamin’ny raharaha Boeing 777. Na izany aza, nolavin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) eto Antananarivo ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ireo voampanga niatrika ny fitsarana androany. Anisan’ny antony mbola mampiato ny fizotry ny raharaha ny fangatahan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), izay mpitory amin’ity raharaha ity, ny hanolorana azy eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava. Voalaza fa olona miisa 38 no voakasika tamin’ity raharaha ity. Na izany aza, mbola misy ireo heverina fa nandray anjara mivantana tamin’ny raharaha, saingy tsy tafiditra tao anatin’ireo voarohirohy. Anisan’izany ireo mpiasa miisa 13 eo anivon’ny ACM, izay voalaza fa mbola tokony hodinihina ny mety ho fandraisany anjara. Araka ny nambaran’ny fampanoavana, dia tsy ampy ny famotorana natao hatreto, ka ilaina ny fanadihadiana fanampiny alohan’ny handrosoan’ny raharaha amin’ny dingana manaraka. Mbola andrasana araka izany ny tohiny ara-pitsarana, indrindra noho ireo olona hafa heverina fa mety ho voakasika sy ny fanamarihan’ny fampanoavana momba ny tsy fahampian’ny fanadihadiana.Voalaza ihany koa fa nisy ny famotorana savaravona nataon’ny BIANCO, izay nahitana ahiahy momba ny fifampidinihan’ireo tompon’andraikitra maromaro tamin’ny fanaovana hosoka mahakasika ireo fiaramanidina Boeing 777. Anisan’ireo anarana voatonona ao anatin’ireo ahiahy ireo ny filoham-pirenena teo aloha Andry Nirina Rajoelina sy ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian. Napetraka ho mila dinihina sy hamarinina ara-pitsarana anefa izany. Anisan’ireo namaly ny antso teny anivon’ny PAC omaly ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Richard Ravalomanana, sy ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Valéry Ramonjavelo. Tsy afaka nanatrika mazava ho azy i Mamy Ravatomanga izay mbola migadra any Maurice. Ity farany izay isan’ny lehibe indrindra ny vesatra noho izy voalaza fa tompon’ny orinasa nampiasaina sy nanamora ny fahazoana ny laharana Malagasy, voalaza fa nahazo « commission » 5 000 000 tapitrisa dolara,… Ny 5 novambra ho avy izao no hamoahan’ny PAC ny fanapahan-keviny momba ny fangatahana hanaovana fanadihadiana fanampiny sy ny fangatahana mifandraika amin’ny tokony hanolorana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava. Araka izany, na dia efa nolavina aza ny fangatahana fahafahana vonjimaika, dia mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny PAC ny tohiny amin’ity raharaha Boeing 777 ity. Io no hamaritra ny dingana manaraka sy ny mety ho fitohizan’ny fanadihadiana momba ireo olona heverina fa mbola voakasika. Andaniny, nanatanteraka fitsidihana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO ny Mpiraki-draharaha Amerikanina TOM Bevan omaly. Nandritra izao fitsidihana izao, hoy ny tatitra, no nanamafisany Etazonia ny fahavononany hatrany hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Malagasy eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny fisolokiana an’habaka, ary nanomanan’ny roa tonta sahady ny fivoriana izay hatrehan’ny Minisitry ny Fitsarana any Washington DC. Nilaza ny andaniny fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoa iraisana toy izao, satria tsy vitan’ny firenena iray ny manafoana ny heloka an’habaka. Heverina fa tsy mandehandeha ho azy io amin’izao raharaham-pitsarana ny boeing 777 izay mahakasika ihany koa an’i Etazonia izao. Sarotra ny lalan-kivoahana ho an’ireo voasaringotra sy voamarina fa tena tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-oct-2026

Miampanga ny ZITAL sy milaza tsy

Card image cap
28-oct-2026

fanaovana dika mitovy…»

Card image cap
28-oct-2026

10 taona an-tranomaizina Raholdina,

Card image cap
28-oct-2026

Nirina Lalao Claude

Card image cap
27-oct-2026

Maherin'ny 1000 miliara Ar

Card image cap
27-oct-2026

PRRM fa isika mba ahoana?»

Card image cap