Ny tena mampalahelo anefa amin’izao dia misedra olana tanteraka izy ireo. 7.000 Ar monja mantsy no hakan’ireo mpiantoka ny akoho iray velona any amin’ireo Mpiompy raha mahalany 14.000 Ar isaky ny akoho izy ireo mandritra ny 50 andro hivoahan’ny iray amin’izany. Raha tsiahivina kely anefa dia hamidin’ireo mpiantoka 12.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony mbola velona raha 14.000 Ar kosa ny efa maty. Lasa hataon’ny sasany tohotra fiakarany fotsiny izahay hoy ireo mpiompy akoho fakana nofony. Eo an-danin’izay anefa dia tsy mandry andro tsy mandry alina izy ireo amin’ny fiompiana ny akoho, ny fividianana ny provandy hohanin’izy ireny izay tsy mitsahatra ny miaka-bidy raha tsy lazaina intsony ny hofan-jiron’ny JIRAMA izay tsy azo vonoina mihitsy ao amin’ny toerana hiompiana ny akoho nefa tena midangana isam-bolana. Nanangana fikambanana mba hahafahany mivondrona araka izany izy ireo izay nampahafantarina ny mpanao gazety tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Legende : Mitaraina ho maty antoka avokoa ireo mpiompy akoho fakana nofony eto amintsika !
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.
Nisehoana haintrano mahatsiravina koa tany amin'ny Fokontany Ambodiakondro,
Tranga mampalahelo mateti-pitranga eto amintsika ny fandrenesana olona maty an-drano.
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny