airtel

Actualités

03-déc-2024

Ala atsinanana

Ahiana ho ringana tanteraka

Sample post image

Manomboka ripaky ny doro-tanety noho ny afitsok'ireo mpanao tavy ny ala amin'iny faritra atsinanana iny,

03-déc-2024

indrindra fa ireo ala manamorona ny lalam-pirenena faharoa na RN2, hoy ny fampitam-baovao voaray. Manomboka eo Mandraka Park mipaka hatrany Toamasina Renivohitr'i Betsimisaraka iny dia tsikaritra fa miha solaloha ireo tendrombohitra ary manomboka mangadihady ny tanety satria hodoran'ny olona ny ala, mirehitra ireo Ravinala izay tena singa iray hamantarana an'i Madagasikara. Raha araka ny filazan'ilay mpivarotra amina hotely iray ao Antsampanana dia vokatry ny hafitsok'ireo mpanao tavy, mpandoro saribao no nahatonga izao. Na izy io iniana natao, na vokatry ny tsy nahy noho ny herin'ny rivotra izay mitondra ny afo. Araka ny nambaran’i Verohanitra, mpianatra ao amin'ny Lysea Rabemanjara, indray dia rehefa hanafika any ambanivolo any ny dahalo dia doran'izy ireo aloha ny ala na ny tanety, miezaka mamonjy mamono afo ny olona dia miditra an-tanàna mora foana izy ireo. Manoloana izany dia mangataka ny ministera mpiahy ny mponina hijery manokana izao fahavoazan'ny tontolo iainana izao fa ho ringana tanteraka ny ala Atsinanana raha mitohitohy ny tahaka izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fitarainana voaray avy any an-toerana.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap