ny fivoarana sy fandrosoana
Fanolorana sy fitokanana fotodrafitrasa maro toa ny jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro izay ahitana batterie manana tanjaka 300 Ampère-heure avy amin'ny Fanjakana Foibe, Tamboho voaravaka sary mahafinaritra ary ny fanatsaràna maro samihafa no natao ao amin'ny faritry ny CSB 1 Ambalamadiro, ao amin'ny kaominina Ankiabe Salohy, distrikan'i Mandritsara ny sabotsy 26 septambra 2026 lasa teo. Izao no tontosa dia noho ny ezaka niarahan'ny herivelona rehetra: ny Ben'ny Tanàna, ny lehiben'ny CSB 1 Ambalamadiro, ny vahoaka Ary ireo mpiara-miombon'antoka. Tonga nanotrona izao Fitokanana izao ny solombavambahoaka Beby Olivier ary nanolotra Jiro lampadaire maro ho an'ny kaomini a Ankiabe Salohy izay nozaraina tamin'ny tnàna maromaro. Nisy ihany koa ny fanolorana kidoro ho an'ny CSB 1 Ambalamadiro. Tsy diso anjara fa nahazo milina fanjairana ihany koa ny Fikambanam-behivavy. Tsara marihina fa nanampy betsaka tamin'ny fanatontosana izao asa fanatsaràna ny CSB 1 Ambalamadiro izao ity olomboafidy ity tamin'ny alalan'ny fiantohana ny simenitra maro. Ary na tay afaka nanatrika ny lanonana ny sabotsy lasa teo aza ny depiote Zakabe dia nandefa kidoro miisa 3 ho an'ny CSB 1 Ambalamadiro. Tonga tany an-toerana nanotrona izao hetsika izao ny sabotsy teo ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin'ny distrika , Cisco ary lehibena CSB ao Mandritsara. Nahafaly sy ravo ny mponina ny fahatsapana fa misy tokoa ny fanavaozana eny ifotony ary manomboka tsapan'ny vahoaka hatrany amin'ny fokontany ny fivoarana azo tsapaiin-tanana sy hita maso.
Nangonin'i RTT