airtel

Actualités

05-mai-2025

Ampamoaka sy ahiahina kolikoly goavana maro

Tsy misy fanadihadiana, boriboriana

Sample post image

amin’ny hoe : lasa adala, fanalam-baraka,…

05-mai-2025

Nirefotra indray ny ampamoaka mikasika ny ahiahy kolikoly goavana mikasika tontolon’ny fahasalamana manampy ireo efa ampamoaka mikasika fahaniana trangana kolikoly lehibe any anaty rafi-panjakana. Mitana ny sain’ny maro ny fanambarana nataon’ny Kolonely Rakotomamonjy Patrick Médecin Chef, Tale Teknika lefitra na DTA eo anivon’ny Hopitaly miaramila na ny CENHOSOA, ankoatra ireo tatitra tsy fangaraharana ara-pitantanana toy ny tamin’ny covid-19 izay nanaovan’ny Fitsarana momba ny Kaonty tatitra sy fanamarihana. Efa nisy ny fandisoana samihafa nataon’ireo voakasika toy ny Hopitaly Polyclinique Ilafy an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga. Tsy afaka hanamarina na handiso an’ireny ny rehetra, ary samy manana ny nambarany rahateo ny andaniny sy ny ankilany. Ny zavatra tahaka ireny no ilàna fanadihadiana lalina sy mahaleotena avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly. Zary lasa entina amin’ny ady ara-tserasera mantsy ny zavatra tahaka itony, ary hamoramoraina aza, tahaka ny efa natao tamin-dry Kolonely Charles rehefa namaky bantsilana ny afera maloto politika samihafa tamin’ny raharaha 2009 izay nolazaina fa marary saina, lasa adala,… Tsaroana tsara ihany koa ny raharaha ampamoakan’i Ravo Nambinina Ramasomanana ny aprily 2021, tamin’ny raharaha kolikoly gaoavana tamin’ny sehatry ny fahasalamana ihany, saingy ny Fanjakana mihitsy no niditra an-tsehatra nitory azy. Olona nisahana ny resaka tsenambaro-panjakana na PRMP teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana nahalala ny ativilany no nanao ampamoaka, saingy nodiana adala sy nosarontsaronana teo. Nanam-pahasahiana nijoro, nampiseho porofo toy ny taratasim-bola na ny “chèque” tsy mangarahara nampiasaina ho antoka tamin’ny tsenam-panjakana momba ilay “Centre de Transplantation Rénale” etsy Andohatapenaka nandaniana 930 tapitrisa Ar tsy nisy “sous-missionaire”, nisy hosoka na “falsification” natao, raha ny fanazavana tamin’izany.,… 930 tapitrisa no vola voafaritra, io efa mitsangana io, saingy raha maka manam-pahaizana, dia azo porofoina raha mifanahantsahana amin’izany, hoy i Ravo Nambinina Ramasomanana tamin’izany. Vitavita ho azy teny ! Ampahany tamin’ny ampamoaka ireny, fa betsaka ireo afera nahiana ho nisy kolikoly avo lenta fa toa nentina tamin’ny fandravoravonana sy fifampiarovana anatiny teny toy ny raharaham-pitantanana ny CNaPS, ny afera Madagascar Airlines izay mifampiampanga hatramin’ny mpitantana ankehitriny sy ny teo aloha fa 37 tapitrisa dolara ny fatiantoka vokatry ny tsy fahombiazan’ny mpitantana teo aloha (2022-2023), niteraka trosa 35 tapitrisa dolara,… Isan’ny nanakoako tsy teto fa eran-tany ny raharaha Romy Andrianarisoa Tale Kabionetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha izay nosamborina sy nohelohin’ny Fitsarana Britanika raha toa ka nitazam-potsiny ny fahefana mpanenjika ny kolikoly teto. Tahaka izany ihany koa ny afera volamena nivadika vy, ny kolikoly sy kiantranoantrano tamin’ny volan’ny covid-19,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap