airtel

Actualités

06-mai-2025

ANDRAVOAHANGY

Niakatra sahady ny rano, maimbo ny tanana

Sample post image

Niakatrabe sahady ny rano teny Andravoahangy omaly Alatsinainy 05 May taorian’ilay orana

06-mai-2025

nirotsaka teto amintsika afak’omaly Alahady. Velon-taraina avokoa ny mponina sy ireo mpivarotra ary ny mpampiasa lalana vokatr’izany. Maimbo ny tanana. Nivangongo sy malama ihany koa ny fotaka aterak’izany hany ka tsy misy mahazo aina ny rehetra. Nambaran’ireo mponina fa vokatry ny tata-drano tsentsina eny amin’iny faritra iny no mahatonga izany. Tokony handray andraikitra mihitsy ny Kaominina isan’andro hanadio hoy izy ireo fa tsy hiandry mialohan’ny fotoam-pahavaratra vao mihazakazaka. Tena mijaly mantsy izahay ary mandavan-taona mihitsy no hiainana izany. Nomarihin’ireo mponina moa fa ankoatra ny fofona maimbo sy ny fotaka ary ny rano mihavosa maloto tahaka izao dia tsy maintsy manomana saran-dalana hitaingenana sarety ihany koa izy ireo mandrapidin’ny rano izay fandaniana hafa mihitsy.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny rano teny Andravoahangy omaly maraina ! 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap