airtel

Actualités

14-févr-2024

Andro maneran-tany ho an’ny onjam-peo

Nomarihina omaly, mila ezaka i Madagasikara

Sample post image

Marihina isaky ny 13 febroary ny andro maneran-tany

14-févr-2024

ho an’ny onjam-peo, araka ny fanapahana noraisin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny UNESCO nanomboka ny taona 2011. Mbola mitana ny lohalaharana aloha ny radio radio amin’ny fanarahan’ny olona an’ireo sehatra fizaram-baovao samihafa. Samy nanana ny fomba nanamarihany an’io naneran-tany omaly, fa ny itovizany dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fisian’ny radio eo amin’ny fiarahamonina, na efa mihazakazaka aza ny fitaovan-tserasera sy ny teknlojia samihafa. Mivoatra rahateo ny tontolon’ny radio maneran-tany, ka isan’ireny ny fahafahana mandray azy amin’ny zanabolana izay mbola misy moa ny endrika sivana amin’io satria betsaka ireo mangataka eto amintsika no toa tsy afaka, ary nisy aza ny efa tao no nesorina,… izay midika fa misy ny ezaka tokony hatao hitovizan’ny herijika ho an’ny rehetra. Efa betsaka ihany koa ireo radio no mivelatra amin’ny fandefasana ny fandaharany an-tsary na am-peo amin’ny tambajotran-tserasera ho fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy fanarahana ny teknolojia,... Ho an’ny teto Madagasikara nandritra ny fanamarihana omaly, nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny radio ho an’ny fiarahamonina ny Minisitera mpiahy, na dia eo aza ny firoboroboan’ireo fitaovan-tserasera maro samihafa ankehitriny. Onjam-peo tsy miankina maherin’ny 300 manerana ny Nosy no nampita mivantana ny fandaharana manokana nentina nanamarihana ity andro ity izay niainga teo anivon’ny radio nasionaly malagasy RNM Anosy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap