amin’ny lakandranon'ny Mozambika ny distrikan'i Morombe. Dibo-drano tanteraka ny tanàna, miaina ao anaty rano avokoa ireo mponina , tranga niseho ny faran’ny herinandro teo. Simba daholo ihany koa ny fambolena rehetra eny an-tsaha, potika ny asa fivelomana. Ho an’ity farany manokana dia tsy afaka mivoaka eny an-dranomasina ireo mpiandriaka noho ny toetr'andro ratsy hany ka mosera tsy misy sakafo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano nefa ny fahasahiranana ateraky ny rano miakatra ihany koa efa mila tsy ho zaka. Miangavy ny Fitondram-panjakana noho izany ireo mponina mba hijery akaiky azy ireo. An-jatony moa ireo fantatra fa efa tsy afaka mipetraka ao amin’ny trano fonenany intsony hatramin’ny omaly no sady tsy misy sakafo hohanina.
Pati
Legende : Hatreny am-balaban’ny lehilahy matanjaka tahaka izao ny rano !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny